Masi-mandidy amin’ny olony Andriamanitra ka :
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 23 Janoary 2021
JEREMIA 18.5-11
JEREMIA 18.5-11
5 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe : 6 Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely. 7 Vetivety* Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;[Heb. indray mipi-maso] 8 Nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy. 9 Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko; 10 Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy. 11 Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.Masi-mandidy amin’ny olony Andriamanitra ka :
1-Manasoa izay manaiky fefena (and 9)
Hoy i Jehovah eto « vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy amboleko ». Izany hoe : tahaka ny mpanefy Izy , ka rehefa mahafa-po izay amboariny dia manohy mikarakara azy ho tonga vazy tsara tarehy . Fa ao ambadik’izany koa dia hoe: izay mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra no valiany soa ary hampitomboiny ho amin’ny fahasoavana hatrany . Izany foto-kevitra izany dia iombonan’i Jeremia amin’ny Deoteronomia . I Jesoa koa dia hamaly izay manao ny sitrapony hoe : « Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao » (Mat 25.23) . Ataovy ary ny sitrapon’ Andriamanitra fa izany ihany no andrasany aminao , hamaliany soa anao.
2-Mandrodana izay mikiribiby amin’ny ratsy (and7)
Fa hoy koa i Jehovah : « vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako« . Izany hoe : izay tsy mahafa-po ny mpanefy dia horavany indray ka mamerina hatramin’ny voalohany izy manefy zavatra vaovao araka ny ilàny azy , mifanaraka amin’izay tiany . Mifono ao anatin’izany fa rehefa miziriziry handeha amin’ny làlany ratsy ihany ny olona dia harodan’i Jehovah , ongotany ary hazerany , kanefa raha mahatsiaro tena fa diso ka miverin-dàlana dia vonona hikarakara azy indray Andriamanitra , ary tefeny ho vaovao mba hanjary olom-baovao . Ianao koa, ialao ny ratsy ary ataovy tsara ny làlanao , fa hoy indrindra i Jesoa hoe: « Mibebaha ianareo » (Mat 3.2)
Fanontaniana :
Inona no hanjo ny olona mahalala ny sitrapon’Andriamanitra nefa minia milona amin’ny fahotana ihany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM