Maneho ny maha-Andriamanitra Azy ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 06 Janoary 2021
1 TIMOTY 1.12-17
1 TIMOTY 1.12-17
12 Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana, 13 dia izaho, izay mpiteny ratsy* fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana. [* Gr. mpanao blasfemia; izahao Mat. 9,3] 14 Fa be indrindra ny fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i Kristy Jesosy. 15 Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tet? ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany. 16 Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay. 17 Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.Maneho ny maha-Andriamanitra Azy ny Tompo
1-Amin’ny fanendreny olona
Andriamanitra no nanendry sy nifidy azy ho mpanompony . Izany indrindra no antony ilazan’i Paoly hoe : « fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana » (and12b) . Tantarain’i Paoly Apostoly ny làlana nolalovany . Ambarany amin’izany fa ny indrafon’Andriamanitra no nanome hery azy hahatontosa ny fanompoany . Raha amin’ny fisainana sy fijerin’olombelona dia tsy mendrika ho isan’izay tokony hofidina na hotendrena ho amin’ny asan’Andriamanitra ny olona tahaka azy : mpiteny ratsy ny Anaran’ Andriamanitra , mpanenjika sy mpampahory . Izany tokoa ny tantaram-piainany . Tsy mba tahaka ny fijery sy fitsaran’ny olona anefa ny fijerin’ny Tompo . Izany no maha- Andriamanitra Azy .
2-Amin’ny famindrampony
Tsapan’ny Apostoly ny faharatsiany tamin’ny andro lasa , tsy manamarin-tena izy , raha nilaza fa noho izy mbola tsy nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataony no nahatonga azy hahavita ireny toetra ratsiny taloha ireny . Nahatsiaro ny tenany ho lohan’ny mpanota azy izy (and15) . Tiany hasongadina kosa fa lehibe taminy ny famindrampon’Andriamanitra mba hamonjena azy . Ary izany no nahatonga azy hanambara fanekempinoana mikasika ny asa nanirahan’Andriamanitra an’i Jesoa . Hoy indrindra Izy amin’izany : « Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tety ambonin’ny tany Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota , ary amin’ireny izaho no lohany » (and15). Mpamindra fo ny Tompo Andriamanitra , ka niniany tsy nojerena ny andron’ny tsy fahalalana . Ankehitriny kosa Izy dia mandidy ny olona rehetra mba hibebaka (Asa 17.30) .
Fanontaniana :
Nahoana no nifidy an’i Jodasy ho isan’ny Apostoly i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM