Maneho ny maha- Andriamanitra Azy ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Janoary 2021

GENESISY 1.26-31

GENESISY 1.26-31
26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. 27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. 28 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany. 29 Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny. 30 Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany. 31 Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.

Maneho ny maha- Andriamanitra Azy ny Tompo

Ireto manaraka ireto no manambara amintsika ny momba izany :

1-Asehony fa Izy no Mpahary (and 26)

Tsy nahalala ny momba an’Andriamanitra na oviana na oviana isika , raha tsy Izy no manambara ny tenany sy ny maha-Andriamanitra Azy . Noho ny fitiavany antsika no naharian’Andriamanitra antsika sady ho voninahiny rahateo . Raha tsy nohariana isika , amin’ny fomba ahoana moa no hahalalantsika Azy ? Ny fahariany antsika no fomba iray nanehoany ny maha-Andriamanitra Azy amintsika . Jesoa Kristy no fahalalana an’ Andriamanitra . Ao Aminy no hihaonana amin’ Andriamanitra . Amin’ny finoana Azy no ahitana ny Ray (Jao 14.9)

2-Nataony hitovy endrika Aminy isika (and27)

Natao ho fanehoana ny Voninahitr’Andriamanitra isika . Ny fahatsarany , ny fitiavany , ny fahamarinany , ny fahamasinany , ny heriny sns… dia nataon’Andriamanitra ho tazana sy hamirapiratra eo amin’ny olona . Izay olona manaiky Azy ho Tompo dia manam-pahalalana haneho ny toetr’Andriamanitra eo aminy . Amin’izany dia tsy hafa noho ny fitaratra ny olona . Koa raha mifanatrika amin’ Andriamanitra izy dia tazana eo aminy ny endrik’ Andriamanitra . Tsy Andriamanitra akory izy amin’izany fa zava-boahary . Raha vao miodina amin’Andriamanitra izy dia tsy tazana eny aminy intsony ilay endrik’Andriamanitra . Amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy irery ihany no ananan’ny olona ny endrik’ Andriamanitra . Kristy no endrik’Andriamanitra . « Izy no endrik’ Andriamanitra tsy hita… » ( 2 Kor 3.18, Kol 1.15a)

Fanontaniana:

Ny zava-boahary no tompoin’ny olona fa tsy ny Mpahary . Nahoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM