Mifidy olona hiara-miasa Aminy ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Desambra 2020
JEREMIA 1.4-10
JEREMIA 1.4-10
4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. 6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. 7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. 8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. 9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, 10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.Mifidy olona hiara-miasa Aminy ny Tompo
Vitan’Andriamanitra samirery ny asany , saingy noho ny fitiavany dia miantso ny olona Izy hiara-miasa Aminy .
1-Izy no tompon’ny fiantsoana
Hoy i Jeremia : »tonga tamiko ny Tenin’i Jehovah » . Voalaza fa efa hatrany ambohhoka izy no efa fantatra sy nofidin’ny Tompo . Andriamanitra mihitsy no namolavola sy nanomana ary nanavaka sy nanamasina ary ho amin’ny asa izay tiany hampanaovina . Izy Tompo no manendry azy ho mpaminany ho an’ny firenena . Araka izany dia tsy hita taratra eto mihitsy ny finiavana na faniriana avy amin’ilay nahazo antso , fa Andriamanitra irery no manapa-kevitra