Ny Magy , rehefa nahita an’i Jesoa zazakely
Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Desambra 2020
MATIO 2.6-12
MATIO 2.6-12
6 Ary ianao, ry Betlehema, tanin'ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin'ny andrianan'ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan'izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko (Mik. 5.1). 7 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana. 8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany. 9 Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely. 10 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra. 11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora. 12 Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy tsy hiverina any amin'i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany.Ny Magy , rehefa nahita an’i Jesoa zazakely
Nanaraka ny dian’ilay kintana nataon’Andriamanitra ho mpitari-dàlana azy ,mandra-pahita ilay Mpanjaka vao teraka ireo Magy .Hitany tokoa izay notadiaviny , ary raha vao tonga ireo dia :
1-Niankohoka teo anatrehany
Izany no nataony ho fanomezam-boninahitra sy fanekeny ny maha- Mpanjaka an’i Jesoa zazakely . Fotoana sarobidy eo amin’ny fiainantsika ny fahaterahan’ny Mpamonjy . Andeha isika haneho fanajana Azy . Tsara ihany ny maneho izany amin’ny fitafiana vaovao sy ny fanaovana fety . Aoka anefa mba tsy ho zary lasa fomba ivelany fotsiny izany . Ny tena zava-dehibe dia ny fanehoam-panajana Azy amin’ny fo sy fanahy ary amin’ny hery rehetra . Izany no fiankohofana Aminy. Raha ekentsika fa Izy tokoa no Mpanjaka dia tsy ho amin’ny vanim-potoanan’ny Krismasy ihany no tokony hanajana Azy manokana fa amin’ny fotoana rehetra isehoany sy hanatrehana Azy .
2-Nanolotra fanomezana sarobidy
Nanokatra ny fitehirizan-drakiny izy ireo ka nanolotra fanomezana sarobidy , araka izay efa nomaniny avy . Jentilisa izy ireo nefa nahafoy zava-tsarobidy ho an’ Andriamanitra . Ho ambakany ve isika ? Azo heverina fa ny tsy fahafenoan’ny fanolorantena no mahatonga ny olona ho kahihitra sy tsy mahafoy hanaovana ny asan’ Andriamanitra , na dia manan-katao aza izy. Zava-dehibe eo anatrehan’ Andriamanitra ny fanolorantena . « Koa amin’izany , mangataka aminareo aho ry rahalahy , noho ny famindrampon’ Andriamanitra mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona , masina , sitrak’ Andriamanitra , dia fanompoam-panahy mety ahtaonareo izany » (Rom 12.1) .
Fanontaniana :
Inona no zava-tsarobidy atolotrao ho an’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM