Ny fahasoavana sy ny fiadanana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Desambra 2020

EFESIANA 1.1-4

EFESIANA 1.1-4
1 [Fiarahabana nataon'i Paoly, sy fiderany an'Andriamanitra noho ny soa avy amin'ny avotra nataon'i Kristy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky* ao amin'i Kristy Jesosy: [* Na: mino an'] 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, 4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,

Ny fahasoavana sy ny fiadanana

Anisan’ny fomba nahazatra teo amin’ny Hebreo sy ny Grika ny fampiasana ny teny hoe : « fahasoavana » sy ny « fiadanana » rehefa mifampiarahaba . Nampiasain’ny Apostoly matetika izany eo amin’ny fiandohan’ny Epistily nosoratany ary mbola ampiasaintsika fiangonana mandraka ankehitriny . Midika inona moa izany fahasoavana sy fiadanana izany ?

1-Ny fahasoavana

Araka ny fampianaran’ny Apostoly Paoly ny fahasoavana dia izay nataon’ Andriamanitra ho an’ny olombelona tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy . Tsy miankina amin’izay tsara nataon’ny olona , fa amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy . Tsy afaka miseho tanteraka ao amin’ny fiainan’ny mpino ny fahasoavana raha tsy tsapany aloha ny faharatsiany sy ny fahalemeny ary mijery an’i Kristy velona izy . Kristy no mamonjy azy amin’izay tsy hainy atao amin’ny fiezahany samirery . Anisan’ny fahasoavana lehibe ny nifidianan’ Andriamanitra antsika fiangonana (and 3,4).

2-Ny fiadanana

Ny fiadanana dia ampiasaina hitovy hevitra amin’ny fihavanana na fandriampahalemana . Milaza ny toetry ny tany sy ny vahoaka mandry fahizay izany : tony , milamina , tsy misy tabataba na mahatahotra . Mizotra sy mirindra tsara ny fiainan’ny vahoaka satria matahotra an’ Andriamanitra ny mpitondra , ka vady hendry no marina . Mitsahatra ny ady , manjaka ny filaminana , mivaha ny fifanolanana , manana fahatonian-tsaina amam-panahy ny olona rehetra . Ao amin’ Andriamanitra irery ihany no misy ny tena fiadanana . Izay mamela an’ i Kristy hanjaka ao am-pony no efa manam-piadanana ao anatiny .

Fanontaniana :

Efa manjaka ao aminao ve ny fiadanan’ Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM