Ireo toetra mampiavaka an’i Kristy , Ilay Mesia
Mofonaina anio: Talata, faha 22 Desambra 2020
HEBREO 1.8-12
HEBREO 1.8-12
8 Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; 9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7). 10 Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra; 11 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, 12 Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27).Ireo toetra mampiavaka an’i Kristy , Ilay Mesia
Manome fanazavana misimisy kokoa ny amin’izany ny Epistily ho an’ny Hebreo
1-Mpanjaka Izy (and8a)
Ny filazana Azy ho manana seza fiandrianana sy tehim-panjakana eny an-tànany no manambara ny maha-Mpanjaka Azy . Ny fanekena an’i Kristy ho Mpanjaka eo amin’ny Fiangonana no antoka ahafahany manefa an-tsakany sy andavany ny adidiny amin’ izao tontolo izao . Ny fanadinoana ny maha-Mpanjakan’izao rehetra izao Azy dia mahatonga ny mpino hanataotao foana .
2-Tia fahamarinana Izy (and 8b)
Maro ny mpanjaka manao fitondrana ratsy amin’ny vahoaka entiny , Ilay Mesia ambaran’ny Soratra Masina amintsika kosa dia tia fahamarinana : « Araka ny hitsiny no itondranao ny fanjakanao … Tia rariny Ianao , fa halanao kosa ny ratsy » (DIEM) . Ny fanekena an’i Jesoa ho Mesia no antoky ny fampanjakana ny fahamarinana , ary izany no manandratra ny firenena hisian’ny fiadanana sy fandriampahalema maharitra .
3-Mandrakizay Izy (and 10-12)
Talohan’izao rehetra izao Izy , ary Izy no nanao azy . Tsy misy zavatra tongatonga ho azy na nahary tena teto amin’ny izao tontolo izao fa nisy ny mpanao . Ary ny mpanao dia tsy maintsy efa ela niainana nohon’ny natao . Kristy no Mpanao ny zavatra rehetra . Manana ny fiandohany sy ny fiafarany avokoa izao zavatra ary rehetra izao , fa Kristy Ilay Mesia kosa dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-piovana . Eo imason’ Andriamanitra dia oharin’ny mpanoratra amin’ny lamba fitafiana izao rehetra izao : ho rovitra izy , ho levona izy , ary havalona izy . Fa Izy kosa dia mandrakizay .
Fanontaniana :
Mbola manjaka amin’ny olona ny tsy fahamarinana . Nahoana ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM