« …hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe izay ekentsika , dia i Jesoa » .
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 21 Desambra 2020
HEBREO 3.1-6
HEBREO 3.1-6
1 [Fampitahana an'i Kristy sy Mosesy] Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy, 2 Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra*. [Izahao Nom. 12. 7] 3 Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony. 4 Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra. 5 Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina; 6 fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.« …hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe izay ekentsika , dia i Jesoa » .
1-Jesoa dia atao hoe : Apostoly
Ataon’ny mpanoratra ny Epistily hoe : Apostoly i Jesoa satria Izy no nirahin’ Andriamanitra hitondra ny vaovao mahafaly momba ny famonjena ny olombelona rehetra , solotenan’Andriamanitra ho antsika Izy . Tsy Apostoly tsotra fotsiny anefa Izy fa mihoatra noho izany satria Izy no Vaovao mahafaly ho an’ny olona . Izy no famonjena ny olombelona ho afaka amin’ny fahotany .
2-Jesoa dia mpisoronabe
Ny mpisoronabe teo amin’ny Jiosy no afaka miditra