Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra
Mofonaina anio: Zoma, faha 18 Desambra 2020
2 TIMOTY 3.14-17
2 TIMOTY 3.14-17
14 Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; 15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, 17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra
Nampiomana an’i Timoty ny Apostoly Paoly fa hiharatsy hatrany ny toetran’ny olona : ho tia tena , matimatim-bola , mpandoka tena ,mpiavonavona, mpanevateva an’Andriamanitra ,tsy manaja ray aman-dreny …( 2 Tim 3.1-9). Efa miseho avokoa ireo endri-pahotana nambaran’ny Apostoly ireo . Inona no tokony hatao?
1-Mahareta
« mahareta amin’ izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao » . Izany hoe : mitoera tsara , miorena tsara amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy , aza miovaova , na mifinfrafindra . Mivonona hiaritra izay mety ho fanenjehana na fahoriana tsy maintsy hihatra mandra-piavin’ny Tompo . Fantatr’i Timoty tsara izay nampianatra azy ary tokony alaina tahaka , dia i Paoly izany , izay nanome ohatra velona tamin’ny fanarahana an’i Kristy teo amin’ny fitondrantena , fisainana , finoana , fandeferana, fitiavana , fiaretana . Ampaherezina toy izany koa isika mpanara-dia an’i Kristy , mba hijery Azy ka hifikitra amin’ny Soratra Masina .
2-Iaino ny Soratra Masina
Olona notezaina tamin’ny Soratra Masina hatramin’ny fahazazany i Timoty . Hamafisin’ny Apostoly Paoly eto ny tombotsoa azon’ny olona amin’ny alalan’ny Soratra Masina ho fanoherana sy fanitsiana izay rehetra fampianaran-diso , ho fitaizana ny mpino mba hahafahany manao asa tsara . Maro ny olona no manaiky fa avy amin’Andriamanitra ny Soratra Masina , ts vitsy koa ny mahay mamaofy ny hevitra raketiny sy mamoaka foto-pampianarana avy aminy . Tsy ampy hahatonga amin’ny finoana marina anefa izany raha tsy iainana sy ny ampiharina isanandro . Koa iaino ny Soratra Masina .
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona sasany hifindrafindra fiangonana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM