Ny olona manaiky an’i Jesoa ho Mesia

Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Desambra 2020

MATIO 1.18-25

MATIO 1.18-25
18 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy. 19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. 20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, 21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy] 22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny] 23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. 24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny. 25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.

Ny olona manaiky an’i Jesoa ho Mesia

1-Tsy manala baraka ny vadiny

Voalaza fa Josefa dia lehilahy marina , olona madio fitondrantena . Niatrika olana saro-bahana anefa izy , satria i Maria fofombadiny dia efa nitoe-jaza sahady . Fahafaham-baraka teo amin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina Jiosy ny toe-draharaha toy izany . Sahirana ny sain’i Josefa ho sarotra aminy ny hampakatra an’i Maria ho vadiny . Tsy mora koa ny hiverin-dàlana ho amin’ny fisarahana . Tsy tiany anefa ny hahafa-baraka ity vehivavy ity izay tiany halaina ho vady . « Ary Josefa vadiny , izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy dia nikasa hametraka azy mangingina  » (and18). Tsy ilay fikasany hisaraka amin’ny fofombadiny no tiana asongadina eto , fa ilay toe-tsaina tsy tia manala baraka ny hafa. Fianarana ho antsika izany .

2-Mankato ny Tenin’Andriamanitra

Nambaran’ny anjely tamin’i Josefa ny antony sy ny làlana izorana manoloana izao toe-javatra sarotra izao . Nambaran’ny anjely taminy ny hahatongavan’i Jesoa hamonjy ny olona rehetra ho afaka amin’ny fahotany . Koa dia nanaiky hanambady an’i Maria i Josefa ,rehefa nazava taminy ny fikasan’ Andriamanitra hahatateraka ny teny izay nampilazainy ny mpaminany (and22,23) . Ny fisainantsika olombelona dia tsy ampy hahatakatra sy hahavaha ny ankabeazan’ny olana eo amin’ny fiainam-piaraha-monina sy ny firenena . Ilaina hanampy antsika amin’izany ny fandinihana sy ny fankatoavana ny Tenin’ Andriamanitra , ho antsika izay mino ao amin’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy .

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny korontana sy fisaraham-panambadiana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM