Miantso antsika hanatona Azy ny Mesia

Mofonaina anio: Alarobia, faha 16 Desambra 2020

MATIO 11.25-30

MATIO 11.25-30
25 Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. 26 Eny, Raiko; fa izany no sitraponao. 27 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy. 28 Mankanesa at? amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. 29 Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. 30 Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.

Miantso antsika hanatona Azy ny Mesia

1-Mampanantena fitsaharana sy fialana sasatra Izy

Betsaka ny olona no mahatsiaro ho miasa fatratra noho ny adim-piainana .Anisan’izany ireo sahirana ara-pivelomana , tsy manana ny ampy , fa ny hohanina anio tadiavina anio , ny ampitso koa torak’izany . Ao ireo izay itambesaran’ny adidy sy ny andraikitra samy hafa , kanefa mahatsiaro ho kely hery sy tsy ampy fahalalana , ho enti-miatrika izany . Ao ireo taizan’aretina sy malemy ka lazoin’ny fahakivina sy ny famoizampo isanandro . Ao ireo nidonam-pahoriana noho ny fandaozana olo-tiana ka vesaran’ny aretimpo sy ny alahelo . Ao koa ireo miezaka fatratra sy maniry mba hiaina amin’ny fahamarinana araka ny maha-kristiana , kanefa mahatsiaro ho tsy mahita fahombiazana satria mahery vaika ny fahotana . Raha anisan’ireny ianao , dia aza mangataka andro intsony , fa miantefa aminao indrindra ny Tenin’i Jesoa manao hoe : « Mankanesa aty Amiko …fa Izaho hanome anareo fitsaharana » (and28)

2-Aza mihevi-tena ho hendry sy manan-tsaina

Misy tokoa ny olona izay tsy mba miasa fatratra sy tsy mahatsiaro ho mavesatra entana velively . Isan’izany ireo olona izay mihevi-tena ho manana ny ampy , tsy mijery afa-tsy ny fiainana an-tany , mpanamari-tena ka manao ny tenany ho hendry sy manam-pahalalana , matoky tena ka tsy mila an’i Jesoa hoe : « hendry sy manan-tsaina » (and25) . Nisy tamin’ireo Fariseo sy mpanora-dalàna no nihevi-tena ho toy izany . Tsy miankina amin’ny fahaizana sy fahakingan-tsaina ny fahazoana ny famonjena . Fa raha tsy izany dia ho voasakana ny bado sy ny tsy manam-pahalalana.

Fanontaniana :

Aminao , inona no hevitry ny teny hoe : » fitsaharana »?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM