Ny finoana kristiana

Mofonaina anio: Talata, faha 15 Desambra 2020

MARKA 9.14-29

MARKA 9.14-29
14 Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. 15 Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. 16 Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto? 17 Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho et? aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana; 18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy. 19 Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento et? amiko izy. 20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. 21 Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. 22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. 23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino. 24 Ary niaraka tamin'izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso]. 25 Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. 26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty. 27 Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy. 28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay* tsy nahavoaka azy.[*Na:Nahoana izahay no] 29 Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana* ihany.[*Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina].

Ny finoana kristiana

1-Tsy manalavitra an’i Jesoa Kristy

Niatrika olana ireo mpianatr’i Jesoa izay nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra , rehefa nandeha niakatra nitokam-bavaka Izy sy ny mpianatra telo lahy ka izy ireo sisa no teo . Ny tsy fahombiazana tamin’ny asa fandroahana devoly izany olana izany , ary nohararaotin’ ireo mpankahala an’i Jesoa sy ny mpianany izany tsy fahombiazana izany mba hanarabiana sy hanalana baraka azy ireo . Soa ihany fa tonga ara-potoana i Jesoa , ary Izy miara- miatrika amin’ireo mpianany ireo no mampivaha ny olana , ka nampisongadina avo dia avo ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra ao amin’i Jesoa kristy . Taomina koa àry isika anio mba hampandroso an’i Jesoa izay mandondona tsy miato eo am-baravaran’ny fontsika ka hiara-mitoetra Aminy sy hanalavitra Azy .

2-Finoana manafaka

Toy ilay raim-pianakaviana nanana zanaka tsy salama dia misy ady goavana atrehan’ny kristiana isanandro . Tsy inona izany fa ny famaliana ny fanontaniana hoe : hino sa hisalasala ? indrindra eo anoloan’ny tsy fahombiazana dia vao mainka mihena ilay finoana efa marefo rahateo . Mazava anefa ny dinidinika nataon’i Jesoa taminy fa tsy maintsy miady manohitra ny fisalasalana izy ka mapitombo ny finoany , mba hahafahany handray ny fanomezana atolotr’ Andriamanitra azy dia ny fanasitranana izany . Mety hahatsiaro ho kely finoana tokoa isika , ary mety ho resin’ny fisalasalana aza indraindray , saingy tsarovy fa manafaka antsika amin’izany ny finoana an’i Jesoa Tompo sy Mpamonjy.

Fanontaniana :

Voafaritra ve ny herin’ny finoana an’Andriamanitra ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM