Ny tsingerin’ny fifandraisan’ny mpino amin’ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Desambra 2020
EZEKIELA 3.1-3
EZEKIELA 3.1-3
1 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely. 2 Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany. 3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.Ny tsingerin’ny fifandraisan’ny mpino amin’ny Tenin’Andriamanitra
Hita eto amin’ireo dingana nandraisan’i Ezekiela mpaminany ny Tenin’Andriamanitra :
1-Mahita :
Naseho an’i Ezekiela ilay horona-taratasy feno soratra ary tsy nanampi-maso teo anoloan’izany izy fa nibanjina ka nahita izany ( Eze 2.9). Dingana voalohany ny fahitana ireo Soratra izay asehon’Andriamanitra sy isehoan’ Andriamanitra ao anatin’ny Baiboly , ka aoka koa ny masontsika hifantoka amin’izany Soratra Masina asehon’Andriamanitra antsika izany ka hijery an’i Jesoa , Ilay teny tonga nofo , Tompon’ny finoana sy mpanefa azy.
2-Mihinana
Baiko nomena an’i Ezekiela ny hoe : « hano izay hitanao » , izany hoe : tsy tokony hijanona ho fahitana na ifandraisana ivelany fotsiny ilay soratra Masina fa tena alatsaka anaty , tsakotsakoina , dinihana tsara , ankafizina. Izany fihinanana ny Tenin’Andriamanitra izany indrindra no mahatonga azy ho loharanon’ny finoana ao anaty , hoy i Jesoa : »Dinihinareo ny Soratra Masina , ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay » ( Jao 5.39)
3-Mandeha mizara
Nantsoina hitondra ny Tenin’ Andriamanitra amin’ ireo mpiray firenena taminy i Ezekiela mpaminany , fa isika ihany koa rehefa nahita an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Teniny ka voky zava-tsoa avy amin’izany dia irahina mba hizara izany Tenin’Andriamanitra, mba hanome tsiro « mamy toy ny tantely« eo amin’ny fiaraha-monina . Tsarovy hatrany anefa fa tsy dingana mifanesy indray mandeha tsy miverina akory ireo fa mila iverimberenantsika matetika .
Fanontaniana :
Aiza ho aiza amin’ireo no misy anao amin ‘izao fotoana izao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM