Ny fiombonan’ny mpino
Mofonaina anio: Zoma, faha 11 Desambra 2020
EFESIANA 1.15-23
EFESIANA 1.15-23
15 [Fivavahana ho an'ny Kristiana tao Efesosy mba handrosoany hahalala ny hatsaran'ny famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan*'ny olona masina rehetra, [* Na: (ny finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo)] 16 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako, 17 mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara, 18 ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina, 19 ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany, 20 izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra, 21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa, 22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana*, [* Gr. eklesia] 23 izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.Ny fiombonan’ny mpino
Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia tonga mpino kristiana i Paoly . Toy izany koa ny Fiangonana tao Efesosy izay hanoratany ka hanehoany fa ny mpino kristiana dia :
1-Mifampahatsiaro sy mifampivavaka
Fankasitrahana sy tonom-bavaka no mandrafitra ny ampahany maro amin’ity Epistily ho an’ny Efesiana ity . Iray amin’ireny izao perikopa izao , izay maneho fa ankasitrahan’i Paoly sady isaorany an’ Andriamanitra mihitsy ny finoana tao amin’ireo kristiana tao Efesosy . Na dia teo tokoa mantsy ny elanelan-tany sy ny zava-tsarotra natrehan’i Paoly , satria any am-ponja izy dia tsy nahasakana azy hivavaka sy hampahery ireo mpino namany izany . Manoloana ny zava-tsarotra atrehantsika ihany koa dia aoka hifampahatsiaro am-bavaka isika ka hifampahery sy hifanampy hatrany .
2-Tena iray amin’i Jesoa Kristy
Ambaran’i Paoly eto fa toy ny tena (vatana) iray ny Fiangonana ka i Jesoa Kristy no lohan’izany vatana iray izany . Ary zava-dehibe ho an’ny Fiangonana ny mahazo antoka izany fahamarinana izany satria Tompon’ny fanapahana amin’ny ankehitriny sy ny ho avy rehetra iJesoa , eny fa na ny fahafatesana aza izay fara-tampony amin’ny olona tsy maintsy atrehan’ny olombelona , ary tsy ahitany fanafany dia efa noresen’i Jesoa Ilay lohan’ny Fiangonana izany . Koa taomina àry isika mba hahatsiaro indray fa isika na dia maro aza dia tena iray ihany , fa samy momba ny tenan’i Kristy ny mino rehetra .
Fanontaniana :
Inona koa no azo hanamafisana ny fiombonana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM