Ny vokatry ny fanekena an’i Jesoa Mesia
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 05 Desambra 2020
ASAN'NY APOSTOLY 16.25-34
ASAN'NY APOSTOLY 16.25-34
25 Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. 26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra. 27 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra. 28 Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra. 29 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy. 30 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? 31 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. 32 Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony. 33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra. 34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.Ny vokatry ny fanekena an’i Jesoa Mesia
1- Fatokiana sy fahatoniana
Any am-ponja i Paoly sy i Silasy eto ary tsy famonjana tsotra no nahazo azy ireo fa tany amin’ny anatiny indrindra amin’ny tranomaizina sady mbola voafatotra tongotra aman-tànana ihany koa . Teo anatrehan’izany zava-tsarotra rehetra natrehan’izy ireo izany anefa dia indro izy roa lahy feno fatokiana sady tony tanteraka ka ny nataon’izy ireo dia nivavaka sy nihira fiderana an’ Andriamanitra . Mazàna tokoa isika rehefa tojo zava-tsarotra dia lany andro miasa saina sy be fanahiana hoe: fanahiana hoe : hanao ahaoana ny ampitso , inona no hiafarana . Ampianarin’izao Soratra Masina izao isika anio fa ny fivavahana sy ny fiderana an’Andriamanitra dia fiasam-pamonjena hanafaka antsika amin’ireo zava-tsarotra atrehantsika ireo . Anisan’ny fanehoana ihany koa izany fa olona manaiky sy matoky an’iJesoa sy ny maha-Mesia mpamonjy Azy isika .
2-Fizarana fiainana ho an’ny hafa
Raha teo an-dàlana hizotra ho amin’ny famonoan-tena ireo mpiambina rehefa nahita ny fivahan’ny varavaran’ny fonja dia nanakana azy ireo tsy ho amin’izany i Paoly . Tsy nanakana fotsiny anefa no nataon’i Paoly eto fa tena nitarika ilay mpiambina sy ny ankohonany mihitsy mba hino an’i Jesoa Kristy Tompo satria izany no loharanom-piainana sy famonjena . Isika ihany koa , rehefa misaina ny amin’ny nanafahan’i Jesoa antsika dia taomina mba hizara sy hitarika ny hafa manodidina antsika mba ho tonga mpino ka hanana anjara ao amin’ny fiainana mandrakizay .
Fanontaniana :
Inona no tombony amin’ny fahatoniana eo am-piatrehana olana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM