Ny mino an’i Jesoa miatrika sedra

Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Desambra 2020

JAONA 6.59-71

JAONA 6.59-71
59 Izany teny izany no nolazainy tao amin'ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy. 60 Koa maro tamin'ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany? 61 Ary fantatr'i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay? 62 Mainka raha mahita ny Zanak'olona miakatra ho any amin'izay nitoerany taloha ianareo. 63 Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. 64 Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy. 65 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany. 66 Hatramin'izany* dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. [*Na: Noho izany] 67 Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala? 68 Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay. 69 Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin'Andriamanitra. 70 Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly? 71 Fa Izy nilaza an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny roa ambin'ny folo lahy.

Ny mino an’i Jesoa miatrika sedra

Mavesatra ny teny nambaran’i Jesoa ny amin’ny tena sy ny rany izay lazainy fa fihinana sy fisotro ho an’ireo izay mino Azy . Nisy tamin’ireo nanara-dia Azy no nihemotra raha nahare izany , fa ny tena mpianatra mahatsiaro sy mihevitra ny fifidianan’ Andriamanitra azy dia :

1-Mifikitra Aminy mandrakariva

« ianareo koa va mba te-hiala? » . Izany fanontaniana izany no nentin’i Jesoa nisedrana ny fahavononan’ireo roa ambin’ny folo lahy hanaraka Azy amin’izay alehany . I Simona Petera eto no misolo tena azy ireo ka manambara sy manamafy fa i Jesoa Kristy ihany no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay ka dia tsy hiala Aminy ireto Apostoly . Miantefa amintsika koa izany fanontaniana izany ary tarihana isika amin’ny alalan’ ity Soratra Masina ity mba hanavao sy hanamafy fa tsy hiala amin’Andriamanitra na inona na inona hitranga .

2-Mino mba hahalala Azy

Mety ho anton-javatra hitarika ny olona hiala amin’i Jesoa ny tsy fahalalana marina hoe : Iza moa Izy ? ary fakampanahy ho an’ny olona ihany koa anefa ny hoe : aleo hiandry hahalala tanteraka an’i Jesoa amin’ny fahafenoany vao hino sy hatoky ary hifikitra Aminy . Mitari-dàlana antsika eto ny Soratra Masina fa ny finoana no mitarika antsika hahalala an’Andriamanitra . Koa mandehana amin’ny finoana ary aoka ho vonona hahalala an’i Jesoa Kristy mba tsy handeha anjambany fotsiny amin’izay inoana fa ho afaka hilaza ihany koa hoe : « Izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra  » .

Fanontanaiana :

Hatraiza ny fahavononanao hiaraka amin’i Jesoa Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM