Ny olona mihaona amin’i Jesoa Mesia dia :
Mofonaina anio: Talata, faha 01 Desambra 2020
JAONA 1.35-51
JAONA 1.35-51
35 Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy; 36 ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra! 37 Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy. 38 Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra? 39 Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay. 40 Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy. 41 Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy). 42 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera*) [*Petera = vato] 43 Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy. 44 Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan'i Andrea sy Petera. 45 Filipo kosa nahita an'i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy any Nazareta. 46 Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha. 47 Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka. 48 Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy* ianao. [*aviavimbazaha] 49 Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan'ny Isiraely. 50 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin'ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao. 51 Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.Ny olona mihaona amin’i Jesoa Mesia dia :
1-Manaiky ny fanambarana momba Azy
I Jaona mpanao batisa no manambara momba an’i Jesoa eto amin’izao perikopa izao , ka ambarany fa Izy no « Zanak’ondrin’ Andriamanitra » . Nanaiky izany fanambarana izany ireo mpianatr’i Jesoa ka tiana te- hifandray bebe kokoa amin’i Jesoa ary dia nanaraka Azy avy hatrany . Miharihary eto fa tsy mba manosi-bohon-tànana izay rehetra te-hiaraka Aminy i Jesoa Kristy , fa manome toky aza Izy , fa izay manatona Azy dia hahita zavatra tsara lavitra mihoatra noho izay efa nambara taminy . Koa ekeo ny fanambarana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Soratra Masina , ary meteza ho isan’ny mpianany fa miantso antsika rehetra hanaraka Azy Izy.
2-Mijoro ho vavolombelona mahataona ny hafa
i Andrea rahalahin’i Simona Petera no voalohany nijoro ho vavolombelona eto ka nanambara fa « efa nahita ny Mesia » izy . Tsy nijanona tamin’ny teny fotsiny anefa izany fijoroana ho vavolombelona izany fa narahina asa dia ny fitondrana an’i Simona rahalahiny hihaona amin’i Jesoa hanaraka Azy , dia sahy nijoro ho vavolombelona tamin’i Natanaela fa efa tanteraka ao amin’i Jesoa avy any Nazareta ity , ny teny voalazan’ny Soratra Masina ka nitaona hoe : « andeha hizaha » . Tsarovy àry , fa ny fijoroantsika ho vavolombelona ny amin’ny teny sy asan’ Andriamanitra dia fiasam-pamonjena ho an’ny hafa .
Fanontaniana :
Efa nihaona tamin’i Jesoa ve ianao? Inona no vokatr’izany teo amin’ny fiainanao sy ny manodidina anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM