Jesoa Kristy Mpampianatra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Novambra 2020

MATIO 5.1-12

MATIO 5.1-12
1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. 2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe: 3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. 5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11). 6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. 7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. 8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, 9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra. 10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 11 Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. 12 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.

Jesoa Kristy Mpampianatra

Ity fampianarana nataon’i Jesoa teny an-tendrombohitra ity dia maneho ny maha- Mpampianatra Azy . Anisan’izay nampiavaka an’i Jesoa tokoa mantsy ny fampianarany . Ary nandaniany fotoana be tokoa . Jesoa Kristy no Mpampianatra .

1- Azo atonina (and1)

Tsy toa an’ireo mpampianatra teo amin’ny fiaraha-monina i Jesoa . Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo izay niavonavona sy nanambony tena ka tsy azon’ny olona natonina . Tena olona tso-piaina sy tso-po i Jesoa ka azon’ny olona natonina . Andriamanitra mifandray sy mifanerasera amin’ny olona amin’ny andavandrony . Anisan’ny nahamora ny fampitan’i Jesoa ny fampianarany koa izany .Mbola azo atonina i Jesoa mandraka androany . Andriamanitra eo anivontsika Izy .

2-Mampianatra ny amin’ny fahasambarana (and2-12)

Izay nanatona an’i Jesoa ka nihaino Azy dia nampianariny ny amin’ny fahasambarana . Anisan’ ny olana fototra eo amin’ny olombelona tokoa mantsy ny amin’ny fahasambarana . Ny fanatonana an’i Jesoa sy ny fihainoana Azy no miantoka izany araka izao ampianarin’iMatio eto izao . Manatona an’i Jesoa , Ilay Andriamanitra akaiky antsika . Henoy Izy , raiso ny fampianarany . Izany ihany no miantoka ny fahasambarana . Tsy misy fahasambarana azo antenaina lavitra sy ivelan’i Jesoa Kristy sy ny Tenin’ Andriamanitra . Sambatra isika kristiana manana ny Baiboly izay mitahiry ny fampianaran’i Jesoa sy Teniny rehetra .

Fanontaniana :

Ahoana no fomba hihaonana amin’i Jesoa mba hahafahana mihaino Azy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM