Tsara ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 26 Novambra 2020
FITOMANIANA 3.25-27
FITOMANIANA 3.25-27
25 [TETA] Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy. 26 Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana. 27 Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.Tsara ny Tompo
Boky nosoratan’ny Jiosy iray nahita ny fidiran’ny miaramila Babyloniana tao Jerosalema ny bokin’ny Fitomaniana . Hitany ny herisetra nataon’izy ireo , hitany ny nadoran’izy ireo ny Tempoly sy ny nandrobany ny fanaka masina sy volamena tao amin’ny Tempoly . Nalahelo mafy noho ny zavatra hitany ity mpanoratra ka nitomany . Bokin’ny fanantenana koa anefa ny Fitomaniana . Boky maneho fa tsara ny Tompo satria :
1-Maneho ny hatsarany amin’izay manantena Azy
Teo anatrehan’ny faharavana , teo anatrehan’ny fahapotehan’ny fireneny dia asehon’ny mpanoratra fa olona manana fanantenana izy . Manana fanantenana izy fa hitan’Andriamanitra izao zava-manjo azy sy ny fireneny izao . Ary ho avy ny fotoana mbola averin’Andriamanitra amin’ny laoniny izao zava-misy mampamoy fo azy izao . Manantena izy fa mbola haneho ny hatsarany ny Tompo satria manantena Azy izy .
2-Mamonjy izay mitady Azy
Ilay fanantenana tao amin’ny mpanoratra no nanosika azy hitady vonjy tamin’ny Tompo . Fantany fa afaka mamonjy azy sy ny fireneny Andriamanitra . Miandrandra izany izy , manantena izany famonjena izany izy . Azon’ny fahavalo atao ny manimba ny firenena sy ny zavatra rehetra ao aminy , fa tsy azony atao kosa ny manaisotra ny fanantenam-pamonjena ao amin’ny olon’ Andriamanitra . Anisan’ny fanehoan’ Andriamanitra ny fahatsarany sy ny famonjeny ny vahoakany sy ny olony izay manantena Azy .
Fanontaniana:
Ahoana no fomba hamerenana indray ao amin’ny Malagasy , indrindra ny kristiana ny fanantenam-pamonjena avy amin’ Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM