Nandresy ny fahavalony i Asa mpanjaka

Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Novambra 2020

2 TANTARA 14.10-14

2 TANTARA 14.10-14
10 Ary Asa nitaraina tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian'ny maro izy*, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin'ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.[Na: Jehovah ô, mora foana aminao ny hamonjy na ny mahery na izay tsy manan-kery] 11 Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan'i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny. 12 Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan'i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan'ny Joda babo betsaka. 13 Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an'i Gerara izy; fa ny fahatahorana an'i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao. 14 Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman'osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.

Nandresy ny fahavalony i Asa mpanjaka

Asa dia mpanjaka niavaka teto amin’ny Joda mpanjaka natahotra an’Andriamanitra izy . Nanao izay mahitsy teo imason’Andriamanitra rahateo izy. Io no nampiavaka azy tamin’ny mpanjaka teo amin’ny Joda . Nandresy ny Etiopiana i Asa noho izy :

1-Mpanjaka tia vavaka

Ny hoe : nitaraina tamin’Andriamanitra dia enti-milaza fa nivavaka tamin’ny Tompo i Asa . Nozarainy tamin’ny Tompo ny adim-po amam-panahiny teo anatrehan’ny fahavalony . Nozarainy tamin’ny Tompo ny zava-misy tamin’ny fotoana nitondrany . Nentiny teo amin’ny Tompo ny adiny , fanalahidy ho enti-mandresy ny fahavalo izany .

2-Mpanjaka niankina tamin’ Andriamanitra

Tamin’ny ady nifanaovana tamin’ny Etiopiana dia napetrak’i Asa tamin’ny Tompo izany . Niankina tamin’ Andriamanitra izy fa tsy tamin’ireo hery hafa , toy ireo firenena natanjaka tamin’izany , sady fanao rahateo izany . Niankina tamin’Andriamanitra izay mahery ka afaka mandresy ny fahavalony izy . Fanalahidy ho enti-mandresy ny fahavalo izany .

3-Mpanjaka nandresy tamin’ny Anaran’ny Tompo

Ny Anaran’ Andriamanitra no nentiny niady tamin’ny Etiopiana sy ireo miaramila izay sady maro no matanjaka . Nialoka tao amin’ Andriamanitra mahery izy sy ireo notarihany . Mahery Andriamanitra , mahery ny Anaran’ Andriamanitra . Fanalahidy ho enti-mandresy ny fahavalo koa ny fialofana eo ambanin’ny Anaran’ Andriamanitra . Amin’ny Anaran’i Jesoa no ho enti-mandresy ny demonia (Lioka 10.17)

Fanontaniana :

Ahoana no fomba tsotra ho enti-mandresy ny fahavalo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM