Ireo dingan’ny fanasitranana

Mofonaina anio: Talata, faha 24 Novambra 2020

MARKA 7.24-30

MARKA 7.24-30
24 Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. 25 Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony. 26 Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zananivavy. 27 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely. 28 Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany. 29 Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia. 30 Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin'ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.

Ireo dingan’ny fanasitranana

Tantaran’ny zanakavavin’ilay vehivavy jentilisa sitrana ity . Avy amin’izao no hahazoantsika ireo dingana ho amin’ny fanasitranana . Ireto avy izany :

1-Mandre ny amin’i Jesoa (and 25a)

Ambaran’i Marka fa na dia naniry azai Jesoa ny tsy ho fantatr’olona hoe tonga tao amin’ny trano , dia tsy voasakana ho tsy fantatr’olona izany . Eto dia fantatr’ilay vehivavy jentilisa fa tao i Jesoa . Jentilisa , kanefa maharaka tsara ny vaovao momba an’i Jesoa . Zava-dehibe ity dingana ity voalohany ity.

2-Manatona an’i Jesoa (and25a)

Tsy nionona fotsiny tamin’ny fandrenesana ity vehivavy ity fa nanatona an’i Jesoa mihitsy izy . Dingana tena ho enti-mandresy ny olana samihafa ny fanatonana an’i Jesoa . Izy no herin’Andriamanitra tonga amin’izao tontolo izao . Betsaka no mahalala an’i Jesoa fa tsy manatona Azy .

3-Miady varotra amin’i Jesoa (and 28)

Tonga ho an’ny Jiosy aloha i Jesoa raha ny marina . Tsy nanaiky izany anefa ity vehivavy ity fa niady varotra .Rehefa tena niady varotra izy dia nanaiky Jesoa . Aza mora kiviana rehefa tena mitady famonjena . Ho an’ny olona rehetra tokoa ny famonjena. Izay manao ezaka toa an’ity vehivavy ity no hahomby hatrany .

4-Mino izay lazain’i Jesoa (and30)

Rehefa nanaiky Jesoa dia nilaza fa itrana ilay zananynarary . Nino izany ravehivavy ka niala teo amin’i Jesoa . Nino izy fa marina izay nolazain’i Jesoa . Nino izy fa hain’i Jesoa tokoa izany .Avy hatrany dia lasa izy nody , ary nahita maso ny fahamarinan’ny tenin’i Jesoa . Fototra tsy azo ialana ny finoana raha te-ho sitrana .

Fanontaniana :

Inona no antony mahasarotra ny fanatonana an’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM