Kristiana manahaka an’i Kristy

Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Novambra 2020

FILIPIANA 3.17-21

FILIPIANA 3.17-21
17 Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika. 18 Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny; 19 fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy. 20 Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, 21 Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.

Kristiana manahaka an’i Kristy

Hoy i Paoly tamin’ny kristiana tao Korinto : « Aoka hanahaka ahy ianareo , dia tahaka no hanahafako an’i Kristy  » (1 Kor 11.1). Miantso ny kristiana izy haka tahaka azy , satria izy nahay naka tahaka an’i Kristy . Jesoa ano fenitra amin’ny zavatra rehetra . Izy no modely tsara indrindra . Isika kristiana dia :

1-Miezaka manome ohatra tsara (and 17)

Tsy nisy nahita an’i Jesoa tokoa isika amin’ny fotoana ankehitriny . Amin’ny alalan’ny famakiantsika ny Soratra Masina no hamakiantsika ny momba Azy . Jesoa anefa no fenitra alain-tahaka amin’ny zavatra rehetra . Niezaka Paoly nanome ohatra tsara maneho an’i Kristy tamin’ny zavatra rehetra . Isika izay mahalala an’i Kristy koa dia mila manao izany ezaka izany mba ho hitan’ny olona rehetra Kristy ka tonga fenitra alainy tahaka koa amin’ny zavatra rehetra . Adidintsika kristiana ny maneho izany . Amin’ny zavatra rehetra dia miezaka isika maneho an’i Kristy mba hahafantaran’ny olona Azy .

2-Manantena famonjena avy amin’i Jesoa (and 20)

Olon’ny fanantenana ny mino . Anisan’ny zavatra tsara ao amin’ny kristiana izany . Io fanantenana io no anisan’izay mampiavaka tokoa ny kristiana . Eo anatrehan’izao zava-manahirana misy izao dia manantena ny kristiana fa hamonjy azy i Jesoa Kristy . Anisan’izay ohatra tsara omen’ny kristiana ny fanantenana ny famonjena avy amin’ Andriamanitra . Isika kristiana sisa no tena anisan’ny mivoy ity resaka fanantenana amin’ny ho avy ity . Isika sisa no mamelombelona ny fanantenan’ny olona . Sady lova lehibe nomen’ny Apostoly ho an’ny fiangonana izany no foto-kevitra matanjaka ao amin’ny Baiboly .

Fanontaniana :

Modely amin’ny inona ianao amin’ny maha-mpino anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM