Ny olom-boavonjy
Mofonaina anio: Talata, faha 17 Novambra 2020
SALAMO 108.1-13
SALAMO 108.1-13
1 [Fahatokiana an'Andriamanitra sy fanantenana ny heriny haharesy ny fahavalo] Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko* no hihira sy hankalaza.[Heb. ny voninahitro] 2 Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho*. [Na: hampifoha ny maraina aho] 3 Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa. 4 Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao. 5 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho et? ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao. 6 Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio. 7 Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko; 8 Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda; 9 Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako. 10 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma? 11 Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô? 12 Vonjeo amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona. 13 Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.Ny olom-boavonjy
Ny Bokin’ny Salamo dia boky mampianatra antsika ny fomba fifandraisana amin’ Andriamanitra. Boky mitaona ho amin’ny fanomezam-boninahitra rahateo izy. Araka ny Mofonaina anio , ny olom-boavonjy dia:
1-Midera sy mankalaza an’Andriamanitra (and3)
Davida eto amin’izao teniny izao dia sahy midera an’ Andriamanitra no mijoro vavolombelona amin’ny Jentilisa izy . Zava-dehibe ny fankalazana an’ Andriamanitra , fa tena fijoroana vavolombelona izany no fitoriana ny Filazantsara ihany koa , fampahafantarana an’Andriamanitra amin’ny Jentilisa . Rehefa tena dinihana koa dia safidy mihitsy ilay midera sy manome voninahitra an’Andriamanitra ho an’i Davida eto , safidy entanin’ny fitiavany manokana an’Andriamanitra sy ny fifandraisany Aminy . Efa tena asa fitoriana ny Filazantsara araka izao ny fiderana sy fankalazana an’ Andriamanitra amin’ny hafa.
2-Mahalala tsara an’Andriamanitra (and 4)
Davida dia maneho amin’izay mamaky azy , fa manana fahalalana momba an’ Andriamanitra izy . Fantany aloha fa sady Andriamanitra marina ny Tompo no mpamindra fo . Fantany tsara ny amin’ny famindrampon’ Andriamanitra ( lehibe) sy ny fahamarinan’ Andriamanitra (mipaka eny amin’ny rahona) . Tsy afa-mijoro ho vavolombelon’ny Tompo tokoa , na hanambara ny momba Azy amin’ny hafa isika raha tsy efa manana fahalalana tsara momba Azy . Ho antsika protestanta dia zava-dehibe ny fianarana Soratra Masina. Avy amin’izany mantsy no hanovozam-pahalalana momba an’ Andriamanitra ka hahafahana manambara Azy .
Fanontaniana :
Inona avy no andraikitry ny olom-boavonjy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM