Jehovah irery ny Andriamanitra Mpamonjy mahatoky
Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Novambra 2020
2 MPANJAKA 19.14-19
2 MPANJAKA 19.14-19
14 Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah. 15 Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin'i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an'Andriamanitra velona. 17 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny 18 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana. 19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.Jehovah irery ny Andriamanitra Mpamonjy mahatoky
Sankeriba fahavalo efa zatra misetrasetra , mpanjakan’i Asyria dia te- hanitatra hatrany ny fandravana ataony . Ireo no atrehan’i Hezekia mpanjaka araka ny voatantara eto . Ny vavaka izay fitaovana mahery vaika noho ny daroka sy ny baomba no indro niantsoany vonjy tamin’ Andriamanitra . Tamin’ny finoana miezinezina no nilazany fa :
1-Tokana Andriamanitra ary Mpanjakan’ny mpanjaka Izy (15a-19b)
Nambaran’i Hezekia tamin’ny tonom-bavaka nasandrany fa tokana Andriamanitra ,tsy misy tahaka Azy ,ary tsy misy izay azo ampitahaina Aminy .Tsy azo afangaroharo amin’ny sampy ny Tompo Andriamanitra . Ivelan’i Jehovah Andriamanitra dia tsy azo ekena ho Andriamanitra ary ankoatran’i Jehovah dia tsy tokony ivavahana . Andriamanitry ny fanjakana rehetra Izy ,ka afaka manao izay tiany hatao. Tsy manadino ny olony Izy fa azon’izy ireo iandrandrana famonjena satria mpamonjy mahatoky Izy .
2-Andriamanitra velona sy be voninahitra Izy (and 15b-16)
Velona Andriamanitra satria afaka miasa amin’ny fotoana rehetra . Miasa amin’ny maha-Mpahary Azy Izy ary mitamberina ao an-tsain’i Hezekia izany tao anatin’ny tonombavaka nataony ka nilazany fa na ireto olona manohitra sy manao tsinotsinona an’ Andriamanitra ireto aza dia asan’ny tànany ka azony fehezina . Velona Izy ka mihaino ny fitarainan’ny mpanompony , mijery sy mahita ny zava-mihatra amin’ny fireneny sy ny vahoakany manontolo .
Fanontaniana :
Ahoana ny fomba hanehoanao eo amin’ny fiainanao ka haharesy lahatra ny hafa ihany ihany ka fa Jehovah no Mpamonjy anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM