Ny amin’ny fananana nampitandreman’ ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Novambra 2020
LIOKA 16.1-8
LIOKA 16.1-8
1 Ary hoy koa Jesosy tamin'ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain'olona taminy fa mandany ny fananany. 2 Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao. 3 Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy. 4 Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin'ny fitandremana ny fananana aho. 5 Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao? 6 Ary hoy io: Diloilo injaton'ny famarana*. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty. [*Gr. bata] 7 Dia hoy izy tamin'ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton'ny famarana*. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.[*Gr. kora] 8 Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny mazava.Ny amin’ny fananana nampitandreman’ ny Tompo
Tsarovy fa tsy maintsy misy ny tatitra momba anao (and1)
Nampangain’ny olona ho mpandany ny fananan’ ilay mpanakarena , izay tompony ity lehilahy ity . Fantany tsara fa tsy maintsy ho voaraoka izy . Teo anatrehan’ izany dia tsy mba nitaredretra izy fa avy hatrany dia nitady ny fomba ahazoany famonjena rehefa mby ho tonga ny fotoana tsy maintsy ialana ao amin’ny tompony . Na dia mpitandrina tsy marina aza izy dia nahazo dera tamin’ilay tompony ihany noho ny fahakingany sy ny faharanitan-tsaina nananany (and 8) . Tian’ny Tompo aseho avy amin’izany fa ilaina amin’ny fahaiza-mitandrina ny fahaiza-manararaotra ny fotoana kely ananana, hampaharitra ny vokatra amin’ny anjara fitantanana nampitandremana ny tsirairay . Antomotra ny andro koa meteza hianatra mitantana amin’ilay Tompon’ny fahendrena sy ny faharanitan-tsaina (Oha 8.12)
Tsarovy fa mbola hampamoahana ianao (and 2)
Nanao ampamoaka eto ilay mpanakarena tompom-pananana rehefa naheno ny tatitra mahakasika ity mpitandrina ny fananany ity . Isika ihany koa ry havana araka ny ambaran’ny Tompo dia mpitandrim-pananana fa tsy tompon’izay eo an-tànantsika . Azy ny zavatra rehetra ka natolony hotandremana izany avokoa . Ho avy ny andro tsy maintsy hanaovan’ny Tompo ampamoaka amin’izay fomba nitantanantsika ireo . Aoka ho azonao antoka mandrakariva fa marina sy mahatoky teo anatrehany ianao . Jesoa ilay mpita-marika mahay , mpitantana hendry no aoka ho ekentsika hitantana ny antsipiriam-pianantsika mba ho azo antoka ny famonjena antsika .
Fanontaniana :
Nanomezanao voninahitra an’Andriamanitra sa nitadiavanao tombotsoa ho an’ny tenanao fotsiny izay nomen’ny Tompo hotantananao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM