Fanomezana sarobidy ny famonjena

Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Novambra 2020

TITOSY 2.11-15

TITOSY 2.11-15
11 Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, 12 mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao, 13 miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy*, [* Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika] 14 Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany. 15 Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.

Fanomezana sarobidy ny famonjena

1-Mitaky toetra vaovao (and11-12)

Eto amin’ity izao tontolo izao ity tokoa no nametrahan’Andriamanitra antsika . Mba hampiavaka antsika amin’ny hafa , Paoly dia mampianatra fa tokony hasehontsika ny toetra maha- zanak’Andriamanitra antsika : mandà ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra , mandà ny filan’izao tontolo izao , velona amin’ny onony sy ny marina . Amin’ny ankapobeny dia ny toetra hasehontsika amin’ny olona izany. Tsy ny famonjena fotoam-bavaka ihany no tokony hampiavaka antsika , fa ny toetra tsara mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra (vakio Mat 5.16) .

2-Koa andrasana amin’ny fanantenana

Nanolotra ny tenany teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa ho fanavotana antsika ho afaka amin’ny fahalotoana sy ny ota rehetra . Amin’izany dia tonga olona miavaka isika, satria tafasaraka amin’izao tontolo izao isika ka lasa fananan’Andriamanitra sady Azy manokana . Fanavotana antsika no nanoloran’i Jesoa ny tenany ho amin’ny fahafatesana . Ary ankehitriny dia fahasoavana no omeny , mba hiainantsika izany fandresena izany . Araka ny tenin’i Paoly eto hoe : « Miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny Voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika » dia tokony hifaly noho ny fandresen’i Jesoa ny otantsika . « Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’ Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny zanany , mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny , rehefa nampihavanina «  (Rom 5.10)

Fanontaniana:

Mby aiza ny fiandrasana famonjena ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM