Ny iraka mpitondra famonjena

Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Novambra 2020
Asan'ny Apostoly 16,6 - 10
6 [Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao Filipy] Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia 7 ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy. 8 Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy. 9 Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay! 10 Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any.

Ny iraka mpitondra famonjena

1-Tsy mandeha araka ny saina

Efa masaka tao an-tsain’i Paoly ny handeha hitory ny Filazantsara . Tsy toy ny asa hafa rehetra anefa izany fa asa tsy maintsy iarahany miasa amin’ny Fanahy Masina . Ny fitarihan’ny Fanahy Masina mantsy no mampahomby ny asa misiona rehetra . Hitantsika eto fa tsy niady hevitra i Paoly fa nanaiky hivily làlana avy hatrany . Ary na efa nandeha toerana lavitra sy maro aza , dia mbola nanaiky ny fitarihan’ny Fanahy hatrany . Toy ny kofehy manara-panjaitra i Paoly manoloana ny fitarihan’ny Fanahy Masina , fahombiazan’ny asa fitoriana Filazantsara ny fanekena hotarihan’ny Fanahy Masina , sady efa hafatry ny Tompo tamin’ny mpianany rahateo izany (Lioka 24.49) .

2-Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy

Intelo no nobitsihan’ny Fanahy i Paoly .Noraran’ny Fanahy izy tamin’ny roa voalohany . Ary tsy fantatra mazava ny fisehoan’ireo fandrarana ireo . Fa ny fahatelo kosa dia tao anaty nofy . Endrika maro no isehoan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina ; fanambarana ara-paminaniana , faharesen-dahatra anaty , na zava-miseho ivelany , na fahitana sy nofy (and9). Zava-dehibe eto ny faharesen-dahatra tao aminy ka nilazany fa Andriamanitra no efa niantso azy hitory ny Filazantsara . Mila mitandrina isika rehetra izay hitondra ny famonjen’i Kristy amin’ny mpiara-belona amintsika . Fa indrindray dia misy fanahy mamitaka , mampanantena fiainana mahafinaritra , vola , fananana ka mihevitra fa tsy mihaino vavaka Andriamanitra raha tsy mahazo ireo . Hoy ny Apostoly Jaona : « Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra : ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy no avy amin’ Andriamanitra » (1 Jaona 4.2).

Fanontaniana :

Taiza no efa nitorianao ny Filazantsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM