Miambena mba ho voavonjy

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Novambra 2020

MATIO 24.35-44

MATIO 24.35-44
35 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. 36 Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. 37 Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. 38 Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, 39 ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. 40 Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. 41 Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. 42 Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo. 43 Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 44 Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.

Miambena mba ho voavonjy

1-Aza variana amin’ny eto an-tany (and35-41)

Oharin’i Jesoa ho toy ny fahatongavan’ny safodrano tamin’ny andron’ i Noa (Gen 6-7) izany fiaviany izany. Ankoatra ny fiaviany dia lazainy eto ihany koa ny toetry ny olona tamin’ny andron’i Noa . Nisy ireo niomana tamin’ny loza ho avy toa an ‘i Noa nanao ny sambofiara . Tsy niraika ny olona manoloana izany, fa mbola variana nanohy ny haratsiany ihany , nihinana sy nisotro ary niliba tamin’ny filan’ny nofony . Rehefa izany dia tratry ny tsy nampoizina izy ireo . Ankehitriny dia manafatra antsika ny Tompo sao variana amin’izao fiainana izao isika ka tsy vita fiomanana amin’ny andro hiaviany dia ilay androm-pamonjena ho an’ny mino .

2-Aoka hiambina hatrany (and42-44)

Miambena ianareo! Ny teny hoe : miambena dia hoe : miareta tory . Aoka ho hita mifoha tsara ary ao anatin’izany ny faharetana mivavaka . Izany no fomba atao, mba tsy hahatratra antsika ny torimaso . Zavatra maro no mampatory antsika amin’ izao andro izao , na isika tsy mivavaka mihitsy fa variana amin’izao fiainana be fahoriana sy fahasahiranana izao , na isika mihevitra hoe : mino ary mivavaka, saingy ataontsika am-pahazarana ny fivavahana ka tsy mifantoka amin’izany isika . Maro ihany koa isika no mandany fotoana amin’ny fivavahana , saingy ny hampiadana antsika eto amin’izao tontolo izao no tena vontoatim-bavaka ataontsika fa tsy vonona hiambina tsy ho tratran’ny fakampanahy . Ny mpivavaka tena miambina dia feno fahavononana hatrany amin’izay mety hitranga . Ny matory ihany no tratran’ny tsy ampoizina fa izay miambina dia efa feno fahavononana rahateo .

Fanontaniana :

Efa vonona ve ianao anio?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM