Mpamonjy azo antoka i Jehovah
Mofonaina anio: Talata, faha 03 Novambra 2020
SALAMO 145.14-21
SALAMO 145.14-21
14 Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika. 15 Ny mason'izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin'ny fotoany. 16 Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra. 17 Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra. 18 Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. 19 Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. 20 Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany. 21 Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.Mpamonjy azo antoka i Jehovah
1-Mijery ny olona Izy (and14-17)
Davida eto no manambara ny fitantanan’Andriamanitra . Ao anatin’izany fampianarany izany no asongadiny indrindra ny fitantanana mahagaga ataony . Manohana ny lavo , mampitraka izay mitanondrika . Ary ny fikarakaran’ Andriamanitra dia tena amin’ny fotoanany avy . Izany moa dia fanehoany ny famindrampony lehibe. Mpamonjy azo antoka araka izany Andriamanitra satria tsy mijery maso fotsiny fa tena mandray andrakitra . « Andriamanitra no aro sy hery ho antsika . Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy » (Salamo 46.1. Izany fandraisany andraikitra izany moa dia nasehony tamin’ny nanomezany ny zanany ho famonjena antsika (vakio Jao 3.16) .
2-Manakaiky ireo matoky Azy (and18-21)
Misongadina eto fa izay rehetra miantso an’ Andriamanitra amin’ny fo marina sy mahitsy dia mahazo antoka fa ho eo akaiky Andriamanitra . Andriamanitra dia mihaino ny vavaka izay ataon’ny olona ka mahatanteraka ny faniriany , ary tena hiasa ho famonjena azy , hoy ny and19 . Andriamanitra , izay manakaiky ihany koa dia manambara ny fiandaniany amin’izay miantso Azy marina tokoa . Ary asehony amin’izany fa famonjena no ho an’ny marina ary fandringanana no ho an’izay ratsy fanahy . Tsy maintsy manatona Azy amin’ny fo madio sy mahitsy isika . Fatokiana no ilain’Andriamanitra amintsika izay mila famonjena . « Izay manatona an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady izay mazoto mitady Izy » (Heb 11.6) .
Fanontaniana :
Efa nanandrana ny fahatsaran’ Andriamanitra ve ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM