Ny olona miandrandra famonjena
Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Novambra 2020
GENESISY 32.4-13
GENESISY 32.4-13
4 [Ny nihaonan'i Jakoba sy Esao] Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma. 5 Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no tenin'i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin'i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny; 6 ary manana omby sy boriky sy ondry aman'osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao. 7 Dia niverina tany am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy. 8 Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin'ny ondry aman'osy sy ny omby ary ny rameva; 9 fa hoy izy: Raha tafahaona amin'ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray. 10 Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho; 11 tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho. 12 O vonjeo aho amin'ny tanan'ny rahalahiko, dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin'ny vadiko aman-janako izy. 13 Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.Ny olona miandrandra famonjena
Vakio aloha Gen 25..32-32) . Jakoba nandositra an’iEsao .
1-Mahay manetry tena
Tahotra an’i Esao no tao anatin’i Jakoba eto (and8) . Rehefa voalaminy sy voatsinjarany ny olony , dia niantso an’Andriamanitra izy . Hita taratra ao amin’izao vavaka nataony izao ny tao am-pony . Na dia teo aza ny Teny fampanantenana nataon’ Andriamanitra taminy dia nahatsiaro ho tsinotsinona sy tsy mendrika ny famindrampon’ Andriamanitra izy (and11) . Mahagaga loatra izany raha mitaha amin’ny vavaka ataon’ny sasany ankehitriny . Misy mantsy mihevitra fa tena mendrika sy tokony ho azony mihitsy izay angatahiny . Hany ka maro no manery an’ Andriamanitra mba hanome izay tiany hangatahina . Tsarovy Jesoa araka ny Lioka 22.42.
2-Mifikitra amin’ny Tenin’ny Tompo
Zavatra roa loha no eo anatrehan’i Jakoba . Etsy andaniny , ny fahatahorany an’i Esao mitondra efajato lahy . Etsy ankilany , ny fahatsiarovany ny Tenin’ Andriamanitra fa hanisy soa azy ary hahamaro ny taranany . Noho ny fahatsiarovany izany fampanantenana nataon’Andriamanitra taminy izany , dia sahy niantso an’Andriamanitra izy . Tsy ny fahamendrehany na ny tsy fahamarinany no nifikirany fa ny Teny efa nataon’ Andriamanitra taminy . Matetika dia hadinon’ny olona ny Tenin’ Andriamanitra sy ny fampanantenana nataony , raha vao eo anoloan’ny zava-tsarotra izy . Ampianarin’ Andriamanitra isika ankehitriny hahatsiaro ny Teniny (vakio Mat 28.20).
Fanontaniana :
Ahoana ny fahatokianao ny Tompo rehefa mivavaka ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM