Aiza ho aiza ianao izao eo anatrehan’Andriamanitra ?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Oktobra 2020
Mpitsara 3.7-11
Mpitsara 3.7-11
7 [Ny ratsy nataon'ny Isiraely, sy ny nanirahan'Andriamanitra mpitsara hamonjy azy. Ny tantaran'i Otniela sy Ehoda ary Samgara] Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha*.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny] 8 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia*, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely.[Arama-naharaima] 9 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba. 10 Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima. 11 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza.Aiza ho aiza ianao izao eo anatrehan’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM