Mpamonjy azo antoka i Jesoa
Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Oktobra 2020
JAONA 4.46-54
JAONA 4.46-54
46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy. 47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy. 48 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy. 49 Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako. 50 Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody. 51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany. 52 Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy. 53 Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra. 54 Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.Mpamonjy azo antoka i Jesoa
1-Ka manatona Azy tsy am-pisalasalana (and46-47)
Ity tandapa nanan-janaka efa ho faty ity dia nitady famonjena tamin’olona na toeran-kafa fa raha vao nandre hoe : ao Kana i Jesoa dia natoky avy hatrany fa afaka mamonjy azy Izy . Ambonin’izany , avy any Kapernaomy izy no tonga ao Kana manatona an’iJesoa , izany hoe : mbola nandeha làlan-davitra nefa tsy nahasakana azy tsy ho tonga , ary hita eto koa fa na dia tsy namaly azy mivantana teo no eo aza i Jesoa (and48) dia tsy nahakivy azy koa fa mbola nanohy tsy am-pisalasalana manatona an’i Jesoa nangataka ho an’ny zanany izy. Ianao koa , aza misalasala manatona an’i Jesoa , aza avela hisy hanakana anao na elanelana na zavatra hafa koa . Ihoaro ireny!
2-Ka minoa ny Teniny (and 48-54)
Efa voalaza teo fa tsy fanasitranana avy hatrany no nasetrin’i Jesoa , ary na nisisika ny mba hanasitranana ny zanany aza ity lehilahy ity dia tsy nisy hetsika nataon’iJesoa , na filazana fa hidina any Kapernaomy hanaraka azy hijery ny marary Izy : Teny ihany no nataony « Andeha mody , velona ny zanakao » (and 50) .Tsy tahaka ny teo intsony ny fihetsik’ity tandapa ity , tsy nametra-panontaniana akory izy , na mbola nitaona an’i Jesoa hidina any Kapernaomy hiaraka aminy intsony koa , fa « nino » avy hatrany izay nolazain’i Jesoa ka lasa niverina nody . Rehefa tonga tany an-tranony dia vaovao mahafaly no nitsenan’ny mpanompony azy : velona ny zanany . Ianao koa , henoy sady inoy izay lazain’i Jesoa aminao.
Fanontaniana :
Inona no mahatonga ny olona misalasala hanatona an’i Jesoa na tonga manatona Azy ihany fa tsy mino ny Teniny avy eo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM