izay manam-pinoana dia manana andraikitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Oktobra 2020
MARKA 7.31-37
MARKA 7.31-37
31 Ary Jesosy niala indray tamin'ny sisin-tanin'i Tyro, dia namaky an'i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia. 32 Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana. 33 Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin'ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany; 34 ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia. 35 Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran'ny lelany, ka dia nahateny tsara izy. 36 Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa. 37 Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.izay manam-pinoana dia manana andraikitra
1- Hitondra ny voageja ho eo amin’iJesoa (and31,32)
Fantantsika eto araka ny voasoratra eto fa tsy ity lehilahy ity no tonga ho azy teo amin’i Jesoa fa nentin’olona izy . Maneho amintsika izany fa manam-pinoana ireo olona nitondra azy ireo fa hain’iJesoa ny manasitrana azy . Porofon’izany finoana izany , tsy nentiny teo fotsiny fa nangatahany na niangaviany mihitsy i Jesoa mba hametra-tànana aminy . Ianao ve manam-pinoana ? Aza jerem-potsiny àry ny olona voageja fa ento izy hanatona an’iJesoa , mba hihaino Azy sy hahay hiresaka Aminy koa.
2-Hamela an’i Jesoa hikarakara azy (and 33-35)
Rehefa nentin’ireo olona ireo teo amin’iJesoa ilay lehilahy dia navelany i Jesoa hikarakara azy araka ny fombany sy ny fotoanany . Hitantsika teo fa hametra-tànana no nangatahan’ny olona nefa nentin’i Jesoa niala teo ilay lehilahy ary noharoniny ny sofiny . Tsy mahita mihitsy isika eto hoe : nitsikera na niady hevitra tamin’ny fomba nandraisan’iJesoa ilay marary ny olona na dia izy ireo aza no nitondra azy teo . Isika koa , ento eo amin’i Jesoa ny olona fa Izy mahalala ny fomba hikarakarany azy . Tsy anjarantsika ny mibaiko an’iJesoa na mitsikera Azy , indrindra raha tsy araka izay noheverintsika na nandrasantsika no handraisany an-tànana azy .
3-Hilaza ny fahatsaran’iJesoa ( and 36,37)
Hita eto koa fa ny olona nanatri-maso , na dia noraran’iJesoa tsy hiteny aza dia tsy nahay nangina . Azo antoka fa teo koa ireo olona nitondra ny marary teo amin’iJesoa , ka tsy tana fa nitory ny fahatsaran’iJesoa koa dia i Jesoa izay nanokatra ny sofiny handre ny Teniny ary nanokatra ny vava hahay hidera sy hitory Azy .
Fanontaniana :
Firy ny olona voageja fantatrao , ary firy amin’ireny no efa nentinao teo amin’i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM