Minoa ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Oktobra 2020
ISAIA 7.1-9
ISAIA 7.1-9
1 [Ny amin'ny hahaterahan'Imanoela, sy ny amin'ny handravana ny fanjakan'i Siria sy Efraima] Ary tamin'ny andron'i Ahaza, zanak'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, hanafika an'i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy. 2 Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra. 3 Ary hoy Jehovah tamin'Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba* zanakao hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba,[Seara-jasoba = Hisy sisa hiverina] 4 ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia. 5 Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak'i Remalia ka nanao hoe: 6 Andeha isika hananika an'i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak'i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany, 7 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany; 8 Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony), 9 Ary ny lohan'i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan'i Samaria dia ny zanak'i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.Minoa ny Tenin’Andriamanitra
1-Fa aza be fanahiana (and 4)
Eo anoloan’ny fangorohoroan’i Ahaza dia mampitony azy Andriamanitra manao hoe : » mitandrema ka aza taitaitra foana , aza matahotra ary aoka tsy ho ketraka ny fonao« . Efa asehon’ Andriamanitra eto sahady fa tsy msy dikany akory ireo fanjakana roa mitady hananika ny fanjakan’i Joda ireo fa « tapaporohana roa midonaka » . Esonteny izany hilazana fa zinona ireo . Taomina koa ianao tsy hivadi-po eo anoloan’ny adinao , fa zinona eo anatrehan’Andriamanitra io fahavalonao io .
2-Fa Izy mandray an-tànana (and 7)
Tsy mijanona eo amin’ny fampitoniana fotsiny ny Tenin’Andriamanitra fa mitohy amin’ny fanomezana antoka fa tsy hahavita na inona na inona amin’ny Joda izay iandanian’Andriamanitra akory ireo fahavalo ireo . Na ahoana na ahoana fiaviny sy tetikady nomaniny , mazava ny antoka omen’ Andriamanitra : « tsy ho tanteraka izany ary tsy hisy izany » satria Andriamanitra no miady ho an’ny vahoakany . Ianao koa , matokia an’i Jesoa izay miteny hoe : « minoa fotsiny ihany » (Mar 5.36)
3-Fa antoka hamonjen’ Andriamanitra izany (and 9)
Misongadina eto fa ny fahatanterahan’ireo voalaza teo ambony ireo dia ny finoana , matoanteny mitovy ihany no ampiasaina amin’ny hoe : « mino » sy ny hoe : « tafatoetra » fa ity farany ity amin’ny endrika iharana , izany hoe : raha tsy mino dia tsy hisitraka ny famonjena ataon’ Andriamanitra , raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe : Andriamanitra tsy mampitoetra izay tsy mety mino ny Teniny .
Fanontaniana :
Manao ahoana ny finoanao manoloana ny ambana mampanahy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM