Finoana manao ahoana re no azonao  hilazana ny finoanao?

Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Oktobra 2020

MATIO  21.18-22

Matio 21,18 - 22
18 Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana. 19 Ary nahita hazo aviavy* anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.[*aviavimbazaha] 20 Ary nony hitan'ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io? 21 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. 22 Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.

Mifampitohy  amin’ny fitantarana ny niakaran’I Jesoa tao Jerosalema  ity  perikopa anio  ity . Ny  vahoaka nitsena Azy tao  dia nihorakoraka  hoe : “Hosana , hosana  ho an’ny zanak’I Davida” , kanefa taoriana kelin’izay dia niantsoantso indray hoe : “homboy Izy , homboy Izy”. Mampianatra antsika àry ny Mofonaina anio hoe :

1-Tandremo  fa tsy tian’I Jesoa ny fihatsarambelatsihy (and 18-20)

Eo  ihany ny fahagagana nahamaina ny aviavy  vetivety  teo (izay maneho  koa fa ho avy  ny fotoana hitsaran’I Jesoa ) ,fa ny sary an’ohatra  maneho  ny Jiosy  ihany  koa ny aviavy eto : be ravina , mandrobona be kanefa  tsy ahitana  voany , be fombafomba , fa tsy  manam-pinoana ka mandiso  fanantenana an’I Jesoa  fotsiny  . Koa  asehon’iJesoa  mazava eto fa tsy tia fisehoana ivelambelany izy . Ianao koa , aoka tsy  ho fahitana  ety ivelany fotsiny  na fisehosehoana  no hanarahanao  an’I Jesoa ka tazanina lavitra  dia toa tena kristiana , nefa raha tomorina akaiky  tsy ahitana voany  na iray aza . Tandremo  fa halan’I Jesoa izany  . Fotoana indrindra izao handinihantena .

2-Fantaro : Finoana tsy miahanahana no hahefana be (and21,22)

Niteraka fahagagana  sy fanontaniana teo amin’ny mpianany ny fahitana io fahamainan’ny aviavy io . Ka namaly  azy ireo  I Jesoa hoe : “Raha manam-pinoana ianareo  ka tsy miahanahana , dia tsy izao  natao  tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo  fa  raha hiteny amin’ity tendrombohitra ity aza ianareo  ka hanao hoe : mifindrà ianao , ka mianjerà any an-dranomasina , dia  ho tonga izany “ . Asehon’I Jesoa  fa ny finoana  tsy misalasala  , tsy be  fanontaniana  ,tsy mbola  miroaroa saina momba ny tena na momba ny fampanantenan’Andriamanitra  no  afaka mamoa . Tsy  ara-bakiteny  loatra akory  ny hoe: hamindra tendrombohitra   fa entina  maneho  fa mahomby  ny finoana marina. Aoka ho  finoana matoky  tanteraka àry ny finoanao  . Koa ialao  ny fisalasalana .

Fanontaniana :

Finoana manao ahoana re no azonao  hilazana ny finoanao? Raha mitady  voa aminao  iJesoa  izao , hahita tokoa ve Izy?

Sampana  Sekoly Alahady FOIBE  FJKM