Anaro ny Fiangonana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Oktobra 2020

1 KORINTIANA 4.14-21

1 KORINTIANA 4.14-21
14 Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho. 15 Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara. 16 Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo. 17 Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin'ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko* ao amin'i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny. [* Gr. lalako] 18 Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho. 19 Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon'ny Tompo, dia ho fantatro izay herin'ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny. 20 Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery. 21 Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin'ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?

Anaro ny Fiangonana

1-Tahaka ny fananaran’ny ray ny zanany (and14,15)

Eo amin’ny and14 dia milaza mihitsy i Paoly hoe : « mananatra anareo toy ny zanako malalako aho » , izany hoe : mametraka ny tenany ho manana adidy amin’ny fanitsiana ny Fiangonana izy na dia somary mahery aza ny teny entiny mananatra ,eny misy esonteny aza indraindray (and15) , dia asehony fa tsy ny hanambany azy ireo no anton’izany fa ny hahatonga saina azy ireo kosa . Isika koa , taomina tsy hitazam-potsiny ny tsy fetezana ao anatin’ny Fiangonana fa hiteny am-pitiavana , hananatra an-kitsimpo tahaka ny ray mananatra ny zanany , fa tsy hijery arina an-tava ka hamela ny Fiangonana hizarazara sy hirehareha . Fanaon’i Jesoa ny manitsy ary henjam-piteny mihitsy aza Izy indraindray (Lio 13.15) . Fitiavana anefa no anton’izany .

2-Mba hanahaka an’i Kristy (and16,17)

Nisy tamin’ny olona sasany tao Korinto mantsy no te- hampivily ny Fiangonana tsy hatoky izay ampianarin’i Paoly intsony , manoloana izany anefa dia mitaona ny Fiangonana i Paoly eo amin’ny and 16 mba hanahaka azy , satria izy (Paoly) efa nanahaka an’i Kristy (1 Kor 11.1) . Koa i Kristy mihitsy no asain’i Paoly alain’ny Fiangonana tahaka , dia i Kristy izay ivon’ny Fiangonana sy antom-pisiany ka amin’i Kristy no mianatra fanetrentena (Fil 2.6) , tsy mirehareha , fa amin’i Kristy no mianatra fitiavana sy fifankatiavana fa tsy mizarazara. Ianao koa , manahafa an’i Kristy ary taomy ny hafa hanahaka anao , hanao toy izany koa . Jesoa rahateo dia mitaona antsika manao hoe: « mianara Amiko » (Mat 11.29b) .

Fanontaniana :

Maninona no tsy misy sahy manitsy ny Fiangonana ny olona na dia mahita tsy fetezana izao aza indraindray ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM