Raimandreny sy Ray amandreny , hatraiza ny fitaizana ataonao ?

Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Oktobra 2020

2 TIMOTY 1.1-5

2 TIMOTY 1.1-5
1 [Ny fahatsiarovan'i Paoly an'i Timoty sy ny fitiavany azy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy, 2 mamangy an'i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika. 3 Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman'alina; 4 ary maniry hahita anao aho* (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho [* Na: fa andro aman'alina dia maniry hahita anao aho]; 5 fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.

Raimandreny sy Ray amandreny , hatraiza ny fitaizana ataonao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM