Ny Rahalahy ao amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Oktobra 2020

2 TESALONIANA 3.1-5

2 TESALONIANA 3.1-5
1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo, 2 ary mba hovonjena ho afaka amin'ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra. 3 Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny* ratsy. [* Na: Ilay] 4 Fa izahay matoky anareo ao amin'ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa. 5 Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.

Ny Rahalahy ao amin’ny Tompo

1-Mivavaka handrosoan’ny Filazantsara

« Mivavaha ho anay mba handehanan’ny tenin’ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny teo aminareo » (and1)

Ny filazana hoe : handehanan’ny tenin’ny Tompo faingana dia midika fa maika ny fitoriana ny Filazantsara ary tomponandraikitra amin’ny fampielezana izany ny mpino rehetra ka miara-miady amin’ny alalan’ny vavaka ho an’ny mpitory ny Filazantsara . Rehefa miara-mivavaka ho an’ny mpitory isika rehetra dia ho voatory izany dia ankalazaina eo amin’ny toerana misy olona resy lahatra  indray . Amin’ny toerana  izay nandrosoan’ny Tenin’ny Tompo  no isian’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra  ary ankalazaina  ny fahatsaran’I Jesoa Kristy . Koa mivavaha  ho amin’ny asa fitoriana ny Fikazantsara .

2-Mivavaka ho an’ny mpitory Filazantsara

“Ary mba hovonjena ho afaka amin’ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay …”(and2)

Nitaona ny mpino tao Tesalonika hatrany I Paoly  hivavaka ho azy  satria mafy ny fanenjehan’ny Jiosy sy ny tsy mino. Nanohitra an’iPaoly sy ny fitoriana ny Filazantsara  tamin’ny fomba rehetra ireo olona ireo : tamin’ny alalan’ny herisetra , tamin’ny fihatsarambelatsihy koa . Ary izany no diakn’ny hoe : “tsy àry manana finoana avokoa ny olona rehetra“. Noho izany , tsy maintsy mivavaka ho an’ny mpitory Filazantsara  izay rehetra manaiky ho rahalahiny ao amin’ny Tompo  mba hanafahan’Andriamanitra azy amin’ny ratsy fanahy ary hielezan’ny Filazantsaran’iJesoa Kristy hatrany .

Fanontaniana:

Misy ve fotoana hatokanao ho an’ny fitoriana ny Filazantsara  ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM