Ny olona mahiratra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Oktobra 2020
JAONA 9.35-41
JAONA 9.35-41
35 Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao? 36 Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? 37 Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. 38 Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy. 39 Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. 40 Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba? 41 Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.Ny olona mahiratra
1-Manaiky ny fahefan’i Jesoa
« Ary hoy izy : Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy » (and38)
Rehefa nijoro ho vavolombelona tamin’ny nampahiratan’i Jesoa ny masony ilay lehilahy teraka jamba dia noroahan’ny Jiosy izy , ka tonga teo amin’iJesoa . Ary teo no nanaovany ny fanekem-pinoana hoe: « Tompoko , mino aho« . Sady nanaiky ny fahefan’i Jesoa izy no nanaiky fa Izy tokoa no KRISTY . Ny olona mahiratra ara-panahy no mahay manaiky ny fahefan’i Jesoa Kristy, Ilay fahazavana izay manazava ny mason’ny olona hahitany ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra . Tsy ho hain’ny olona tsy mbola mahiratra ara-panahy mihitsy ny hanaiky ny fahefan’i Jesoa sy ny maha-Kristy Azy. Koa maneke ampahiratin’i Jesoa Kristy ianao mba hanekenao ny fahefany .
2-Miala amin’ny fanamarinan-tena
« Hoy i Jesoa taminy … nefa hoy ianareo ankehitriny : mahiratra izahay , dia tsy afaka ny helokareo » (and 41b)
Fahotana eo anatrehan’iJesoa Kristy , Ilay fahazavan’izao tontolo izao ny fiheverantena ho mahiratra , satria tsy andraisana famelankeloka. Ary izany no fahadisoan’ny Fariseo, satria nihevitra ny tenany ho manana ny fahamarinana teo anatrehan’i Jesoa izy ireo . Nambaran’iJesoa fa tsy mahazo famelankeloka izy ireo . Araka izany , ny olona mahiratra dia manaiky ny fahotany sy ny fahadisoany eo anatrehan’i Jesoa Kristy, Ilay fahazavana mba hahazoany famelankeloka sy fahamarinana amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy . Koa ekeo eo anatrehany ny fahotanao mba hanamarinany anao.
Fanontaniana :
Inona avy ireo toetra ahafahana milaza fa efa mahiratra eo anatrehan’i Jesoa ny olona iray ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM