Ny olona mandroso amin’ny finoana
Mofonaina anio: Zoma, faha 09 Oktobra 2020
JODA 17.23
Joda 1,17 - 23
17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; 18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. 19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy] 20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; 21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. 22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy] 23 ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.Ny olona mandroso amin’ny finoana
1-Mivavaka amin’ny Fanahy Masina
« …ka mivavaha amin’ny Fanahy Masina » (and20d)Niely ny fampianarana manome vahana ny filan’ny nofo , izay niteraka fisarahana teo amin’ny samy mpino, satria tsy nanana ny Fanahy tamin’izany . Nanoloana izany , mitaona ny mpino hivavaka amin’ny Fanahy Masina , Ilay hery sy fanatrehan’ Andriamanitra sady mivavaka ho an’ny mpino ihany koa i Joda mba tsy handehanany araka ny filan’ny nofony. Araka izany , rehefa mivavaka miaraka amin’ny Fanahy Masina ny olona dia manatrika azy Andriamanitra sady manana ny herin’Andriamanitra miaro azy tsy latsaka ao anatin’ny filan’ny nofo . Izany olona izany na dia misy mitaona azy min’izany aza .
2-Maharitra amin’ny fitiavan’ Andriamanitra
« ...tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’ Andriamanitra » (and21)
Andriamanitra Ray no mitaona ny olona hanatona an’i Jesoa Kristy , Ilay fitiavan’ Andriamanitra mba handray famonjena sy hiaina ny finoana ka hanompo Azy . Nanao fanekena tamin’olona , tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Izy mba hisitrahan’ny olona ny fahasoavana sy ny tombotsoa rehetra naterak’izany . Takin’ Andriamanitra amin’ny olona kosa ny finoana . Matetika anefa dia tian’ny olona ny tombotsoa azo avy amin’ny finoana , saingy manao tsinotsinona ny finoana Azy izy .Koa ny finoana marina dia ny faharetan’ny olona amin’ny fitiavan’Andriamanitra azy , amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy .
Fanontaniana :
Tanisao ireo antony mahatonga ny olona hiala amin’ny finoana.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM