Andriamanitra mananatra ny olony
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Oktobra 2020
SALAMO 37.1-8
SALAMO 37.1-8
1 [Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka; 2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. 3 Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana. 4 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao. 5 Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. 6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. 7 Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy. 8 Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany.Andriamanitra mananatra ny olony
1-Mitaona azy ireo hatoky Azy
« Matokia an’i Jehovah hianao , ka manaova soa » (and3)
Manoloana ny fiainan’ny ratsy fanahy izay toa mety , toa feno fiadanana dia mananatra ny vahoakany Andriamanitra mba hatoky Azy , fa tsy sanatria ho tezitra na hialona ny mpanao ratsy. Endrika anehoana izany fahatokiana an’Andriamanitra izany ny firavoravoana amin’ny fanaovana ny tsara mandrakariva, dia izay araka ny sitrapon’Andriamanitra izany . Miandry amin’ny fanantenana ny famonjen’Andriamanitra . Mangina amin’ny fatokiana ny Tenin’Andriamanitra izay efa nambarany . Matokia , efa nomen’Andriamanitra antsika i Jesoa Kristy , Ilay teny tonga nofo , azo antoka indrindra ho Mpamonjy antsika .
2-Mampanantena valisoa
« Dia honina amin’ny tany hianao, ka ho faly amin’ny fahamarinana »(and3b)
Mampanantena valisoa ho an’ny olona matoky Azy Andriamanitra , ka hampamirapiratra ny fahamarinana izay nianteherany , homen’ Andriamanitra azy izay irin’ny fony ny rariny . Asehon’Andriamanitra ny fahefany amin’ny olona rehetra , ka mahatonga ny ratsy fanahy « hojinjana faingana tahaka ny ahitra ka halazo tahaka ny ahi-maitso » (and2). Tsy misaraka amin’ny fitsaran’Andriamanitra ny ratsy fanahy ny fanomezana valisoa ny olona matoky Azy . Ary toy izany no hitranga amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy hitsara ny olona rehetra , hanafay ny tsy mino ny Teniny sy hanome fiainana mandrakizay ho an’ny olona naharitra tamin’ny teniny.
Fanontaniana :
Inona avy ny anatra noraisina tamin’ity Soratra Masina ity?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM