Ny vokatry ny mazava dia :
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 28 Septambra 2020
Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra
EFESIANA 5.8-12
8 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava 9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana), 10 mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo. 11 Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. 12 Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.Ny vokatry ny mazava dia :
1-Ao amin’ny fahatsarana rehetra
Ambaran’i Paoly eto mazava fa ao amin’ny Tompo isika ankehitriny . Miara-dàlana amin’izany ny fitaomana antsika tsy hiray petsapetsa amin’ny asan’ny maizina . Tanterahina amin’ny fanaovana asa tsara izany .Fomba fiasa mazava , mahasoa , maharesy lahatra , manitsy izay diso , mitaiza amin’ny fahamarinana, ary mizotra ho amin’ny fahatanterahana (2 Tim 3.16) . Ny fahatsarana ambara eto àry dia fahatsarana eo anatrehan’ny Tompo aloha, mitohy eo amin’ny mpiara-manompo ary azo ijoroana vavolombelona amin’ny tranga rehetra sy ny sehatra rehetra.Fihetsika faka tahaka. Tsy hiandrasana dera na laza aman’ olona fa atao ho an’ny Tompo .
2-Ao amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana
Ny teny hoe : fahamarinana dia avy amin’ny teny hoe : marina , toy ny marindrano ka tsy misy avo sy iva fa mitovy tantana lalandava.Tsy miankina amin’ny tontolo misy azy no mahatonga ny rano ho marindrano na tsia fa amin’ny sehatra rehetra . Raha ao anaty tavoahangy ny rano , na tsy manaraka ny jidina aza ny tavoahangy , eny fa na dia hatongilana aza , ny marindrano tsy miova fa eny hatrany . Toy izany koa no takiana amintsika mpanara-dia ny Tompo . Tsy hanao tahaka ny tanalahy ka mora hiova loko , na tahaka ny trandraka ka hanaraka volontany.
Fanontaniana :
Inona avy ireo fihetsika sy fitondrantena ary toetra mampiavaka ny olona mandeha amin’ny fahazavana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM