Ny lalàna

Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Septambra 2020

1 TIMOTY 1.5-11

1 TIMOTY 1.5-11
5 Fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy, 6 izay nivilian'ny sasany, ka nania ho amin'ny taria foana izy, 7 dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany. 8 Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin'ny olona araka izay antony, 9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, 10 ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema*, [* Gr. salama] 11 araka ny filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.

Ny lalàna

1-Tsara raha entin’ny olona araka izay antony

Fantantsika fa nanafaka ny vahoakany tany Egypta ny Tompo vao nanome azy ireo ny lalàna . Araka izany dia natao ho an’ny olona afaka ny lalàna ary dia tanterahana an-tsitrapo , mariky ny fisaorana , mari-panajana ary mariky ny fahatahorana an’Andriamanitra . Nanamafy i Jesoa fa tsy tonga Izy mba handrava ny lalàna fa hanatanteraka (Mat 5.17) . Misy amin’ireo lalàna efa voasoratra no vao mainka nohamafisin’i Jesoa . Ny mpino kristiana dia taomina hijoro ho fanasina sy fahazavana hatrany ka hanaja ny lalàna .

2-Ahafahana manavaka ny vary sy ny tsimparifary

Mariky ny fahatahorana an’Ilay Andriamanitra nanome ny lalàna araka izany ny fanajana io lalàna io . Ireo izay minia mandika lalàna , maditra , tsy manaja izay masina , tsy manaja ray sy reny , mpijangajanga , mpangalatra, mpandainga dia voasokajy ao amin’ny mpandika lalàna . Soa ihany anefa noho ny famindrampon’Andriamanitra fa tsy misy olona voafaritra na voafetra ho eo ambany ziogan’i satana izany. Ny fanamby dia izao : rehefa tonga ny taom-pijinjana dia samy manana anjara amin’ny famonjena isika . Efa lasa ny zavatra taloha , indro efa tonga vaovao ireo . Izay tia an’i Jesoa dia mitandrina ny didiny .

Fanontaniana :

Inona no mampiavaka ny kristiana amin’ny besinimaro raha ny fanajana lalàna no hitarafana azy ireo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM