Mahaiza mampitaha fa :
Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Septambra 2020
MPITORITENY 8.9-13
MPITORITENY 8.9-13
9 Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin'ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao at? ambanin'ny masoandro. Misy andro anapahan'ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy. 10 Ary tamin'izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin'ny fitoeran'ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna*; zava-poana koa izany.[Na: ary tafiditra izy ka niala tamin'ny fitoeran'ny masina, ary nohadinoin'ny tao an-tanàna izay efa nanaovany izany] 11 Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy. 12 Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an'izay matahotra an'Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany. 13 Fa tsy hisy soa ho an'ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan'Andriamanitra.Mahaiza mampitaha fa :
1-Misy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra
Fantatsika fa efa nampiomana ny Tompo , fa manomana valimpitia ho an’ny mpanompony Izy .Voasoratra fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezantsika aina ao amin’ny Tompo . Manomana fiainana maharitra ho antsika Izy. Araka izany dia zava-poana ny fanahiana eo amintsika momba ny ho avy . Manana Andriamanitra miahy sy mikarakara isika. Ny fepetra ahafahantsika misitraka izany dia mazava : ny fahatahorana an’ Andriamanitra , ny fanajana Azy, ny fanarahana ny teniny , ny fitandremana ny didiny .
2-Loza mitatao no setrin’ny faharatsiana
« saingy tsy tanterahana vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy « (and11). Ny Tompo dia tsy mitsahatra mitady ny fomba rehetra mba hizoran’ny olona araka ny sitrapony . Tao amin’ny saha Edena dia nanoro izay tokony haleha Izy ary nanafatra izay tsy tokony hatao. Tsy vitan’izany fa nampiomaniny mialoha izay ho vokatry ny ataon’ny olona . Izay efa mahafantatra tsara ny sitrapony dia mila miorina hatrany . Raha misy mikiry hifikitra amin’ny fanaovan-dratsy , dia anjarantsika izay antra sy mangoraka no mitory fibebahana dieny mbola misy ny fotoana .
Fanontaniana :
Inona no mampiavaka ny olona matahotra an’Andriamanitra sy ny olona tsy matahotra Azy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM