Miasà amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Septambra 2020
MATIO 18.21-35
MATIO 18.21-35
21 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? 22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo*.[*Na: fito-polo impito] 23 Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany. 24 Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta* iray alina.[*Anaram-bola; ny talenta volafotsy dia sekely telo arivo] 25 Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa. 26 Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra. 27 Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy. 28 Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria* zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.[*Anaram-bola tokony ho venty no heviny] 29 Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao. 30 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa. 31 Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany. 32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao; 33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao? 34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. 35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy ianareo.Miasà amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra
Ny Filazantsara araka an’i Matio dia iray amin’ny Filazantsara mitantara ny asa nataon’i Jesoa Kristy teto an-tany . Teo ny fampianarana maro nataony ho an’ny vahoaka fa nisy kosa ho an’ny mpianatra 12 lahy . Anisan’izay nampianariny ireto :
1- Tsy maintsy mifamela heloka
Jesoa dia manambara fa tsy maintsy mifamela heloka , tsy voafetran’ny isa , na fotoana na toerana . Ny isa eto dia fitopolo impito . Tsy manam-petra ny famelankeloka atao amin’ny havana, mpiara-mivavaka. Asa takiana ho an’izay tia ny rahalahiny ny famelankeloka atao amin’ny fanetrentena noho ny fahatahorana an’Andriamanitra . Mitondra fiadanana sy filaminana , firaisankina sy fifamelankeloka .
2-Nofafan’Andriamanitra ny trosanao
Rehefa nofafana ny trosanao , nahazo famindrampo dia tokony mba toy izany koa no atao amin’ny hafa. Ialao ny fitiavantena tafahoatra izay manakona ny maso tsy hahita sy tsy hahalala ny soa natao taminao. Tsarovy fa tsy tambo isaina ny trosantsika amin’Andriamanitra , tamin’ny teny ,tamin’ny asa, eny izay tsy tsaroantsika aza. Fa Andriamanitra nanome làlana hahazoantsika famelana ny fahotantsika rehetra ao amin’i Jesoa Kristy . Na toy inona na toy inona trosa ananantsika amin’olon-kafa dia tsinotsinona izany raha oharina amin’izay ananan’Andriamanitra amintsika . Aoka mba samy hamindra fo isika , satria namindrana fo ary miasà amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra .
Fanontaniana :
Mba nahay namindra fo tamin’ny hafa ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM