Ny fatahorana an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 08 Septambra 2020

OHABOLANA 1.1-10

OHABOLANA 1.1-10
1 [Fitarihan-teny] Ny Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely: 2 Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana; 3 Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana; 4 Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo. 5 Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara; 6 Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony. 7 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy. 8 Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao; 9 Fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, Ary rado amin'ny vozonao. 10 Anaka, raha taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky.

Ny fatahorana an’Andriamanitra

Ny momba ny fatahorana an’ Andriamanitra no hafatra tena asongadina manerana ny bokin’ny Ohabolana manontolo araka ny hevitry ny mpahay Baiboly . Farafahakeliny mantsy dia miverina in-13 izany voambolana izany ato , ary mbola hita amin’ny endri-boambolana hafa koa aza. Lazaina hoe : teny fanevan’ny boky ny fatahorana ny Tompo ary misy mpahay Baiboly milaza koa hoe : toro-làlana ho an’ny mpamaky izany . Ny fatahorana resahina eto dia tsy atao noho ny zavatra mampahory velively akory fa fiankohofana, fankatoavana, fanajana tanteraka ary atao am-panetrentena ho an’ Andriamanitra kosa ary miaraka hatrany amin’ny fankalazana sy fiderana Azy izany. Misy toetran’olona 2 samy hafa aseho eo amin’ny and 7 dia :

1-Ny hendry

Rehefa manana izany fatahorana an’ Andriamanitra izany ny hendry dia lazina hoe manam-pahalalana izy ary miandoha amin’izay ny fahendreny . Toetra itaomana sy ampianarina ny olona izany , indrindra ho an’ny kristiana .Takina izy ireo mba hanam-pahendrena ka fantatra amin’ny fananany tahotra an’Andriamanitra izany ary amin’ny ataony rehetra koa .

2-Ny adala

Tsy miraharaha izany fatahorana an’Andriamanitra izany ny adala . Izy rahateo dia efa adala ka ny fanamavoana ny fahendrena sy ny fitsipika samihafa mitondra ho amin’ny fatahorana no tena manavanana azy. Manoloana izany dia omena ny kristiana iza toro-làlana izao mba handinihany ny tenany sy ny ataony rehetra raha ho mendrika ny maha-kristiana azy tokoa na tsia.

Fanontaniana :

Mbola misy ve ny hendry ? Ahoana no atao mba hahamafy orina ny fahendrena?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM