Zava-dehibe ny fananana ny teny fikasana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 05 Septambra 2020

2 KORINTIANA 7.1-7

2 KORINTIANA 7.1-7
1 Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. 2 Ataovy omby anay ny fonareo, tsy nanao izay tsy marina tamin'ny olona izahay, tsy nanimba olona, tsy nanambaka olona. 3 Tsy miteny izany ho fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo aho fa ao am-ponay ianareo, mba hiara-maty sy hiara-belona isika. 4 Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin'ny fahorianay rehetra. 5 Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra. 6 Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin'ny nahatongavan'i Titosy, 7 ary tsy tamin'ny nahatongavany ihany, fa tamin'ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho.

Zava-dehibe ny fananana ny teny fikasana

Teny fikasana no anehoana azy eto fa lazaina koa hoe: teny fampanantenana izany . Zava-dehibe tokoa ho an’ny olona ny fahatanterahan’ny fifandraisany amin’Andriamanitra araka izay ambara teo (2 Kor 6.16-17) . Tsy mandeha ho azy anefa izany fananana teny fikasana izany mba hahalavorary ny fifandraisana amin’Andriamanitra fa tsy maintsy :

1-Manadio ny tenany ny olona :

Takiana indrindra ny olona hanadio ny tenany na amin’ny nofo na amin’ny fanahy . Ny nofo sy ny fanahy eto dia tsy ilazana zavatra roa mifanohitra toy izay fahita amin’ny teolojian’i Paoly akory fa hanehoana zavatra roa misy eo amin’ny fiainan’ny olona kosa izay mety mamatotra sy manandevo ny olona ka mitaria azy ho amin’ny faharatsiana sy ny fahotana rehetra . Taomina hiala amin’izany ny olona ka hanadio ny tenany amin’izay rehetra faharatsiana , raha tsy izany dia tsy afaka hisitraka ny teny fikasan’Andriamanitra (jereo Isa 1.16) .

2-Manamasina ny tenany ny olona

Takiana koa ny fanamasinana ny tena , izany hoe : rehefa madio ny olona dia tsy miharoharo intsony na miverina mifandray indray amin’ny faharatsiana fa tsy maintsy manokan-tena tanteraka ho an’Andriamanitra kosa. Tsy izany nohony faharatsiana ety an-tany,nefa tsy maintsy atao satria rehefa maniry hisitraka ny teny fikasan’Andriamanitra dia tsy misy manamasina ny tenany satria Andriamanitra dia masina ka mitaky izay mifandray Aminy hanam-pahamasinana koa (Lev 19, 2) mba hisitraka ny soa avy Aminy.

Fanontaniana :

Azo atao ve ny manadio ny tena sy manamasina ny tena ho an’Andriamanitra? Vonona hanao izanyve ianao?