Mijery fotsiny ny ratsy ataon’ny olona ve ny Tompo ? Mandeha ho azy ve ny fatahorana Azy ?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Septambra 2020
2 MPANJAKA 17.24-28
2 MPANJAKA 17.24-28
24 [Ny nametrahana olona hafa firenena tao amin'ny tany Samaria, sy ny amin'ny fivavahan'ireny] Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin'ny tanànan'i Samaria nisolo ny Zanak'Isiraely; dia nahazo an'i Samaria ireny ka nitoetra teny amin'ny tanànany. 25 Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an'i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan'ireny izy. 26 Dia hoy ny olona tamin'ny mpanjakan'i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin'ny tanànan'i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan'ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon'ny Andriamanitry ny tany. 27 Ary ny mpanjakan'i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin'ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any izy. 28 Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin'izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an'i Jehovah.Mijery fotsiny ny ratsy ataon’ny olona ve ny Tompo ? Mandeha ho azy ve ny fatahorana Azy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM