« ny voninahitr’ ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha »

Mofonaina anio: Alahady, faha 06 Septambra 2020

HAGAY 2.1-9

HAGAY 2.1-9
1 [Ny voninahitry ny tempoly vaovao, sy ny fitahiana ho azon'ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny andro fahiraika amby roa -polo tamin'ny volana fahafito no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe: 2 Lazao amin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy amin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin'ny sisa amin'ny vahoaka hoe: 3 Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha ? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity? 4 Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, 5 araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo. 6 Fa izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; 7 ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 8 Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 9 Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Noho ny zava-misy mampalahelo voalaza eo amin’ny and 3 izay milaza ny faharavan’ny tempoly satri aseho fa toy ny tsinotsinnona sisa izany Tempoly izany dia manao fanamby lehibe ny Tompo eo amin’ny and 9 manao hoe: « ny voninahitr’ ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha » , kanefa ahoana no ahhatanteraka izany ?

1-Takiana hiasa ny olona

Misy andian’olona voatonona manokana eto izay iantefan’ny antso : i Zerobabela , i Josoa ,ny vahoaka rehetra . Mazava tsara araka izany fa tsy olo-tokana akory na olom-bitsy fotsiny no antsoin’ny Tompo hanao izany fa ny vahoaka rehetra izay misy mpitarika . Ankilan’izay , azo antoka fa tsy maintsy ho asa lehibe sy goavana no hotanterahana ka mila mivonona hanao izany ny rehetra satria tsy misy zavatra mandeha ho azy amin’izao mihitsy akory . Ny olana eo amin’ny lafiny sosialy rahateo tsy azo tsinotsinoavina fa mitambesatra sy mahakivy . Maniraka miasa anefa ny Tompo mba hanatanteraka ny asa fanarenana izany Tempoly izany na inona na inona sehatra misy.

2-Tsy hamela ny olona ho irery ny Tompo