Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino :

Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Aogositra 2020

Jaona 16:25-33

Jaona 16:25-33
25 Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro* izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin'ny Ray. [*Gr. ora] 26 Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo; 27 fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho. 28 Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray. 29 Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. 30 Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin'Andriamanitra Hianao. 31 Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny? 32 Indro, avy ny andro*, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin'ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko. [*Gr ora] 33 Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. At? amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.

Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino :

  • Na eo aza ny fahoriana izay mandalo
  • Mampiomana antsika ny Tompo fa toe-javatra fahita ety amin’izao tontolo izao ny fahoriana toy ny: famoizana havan-tiana, aretina, fijaliana, fanenjehana, … miseho amin’ny endriny maro manomboka eo amin’ny ankohonana, mitohy eo amin’ny fiaraha-monina, eo amin’ny mpiara-manompo, ary eo amin’ny firenena. Fa anivon’izao tontolo izao aza dia iaraha-mahalala ny vokatr’ilay areti-mifindra izay nanomboka tany amin’ny firenena sinoa. Voasoratra hoe « Fa aoka ho fantatrareo izao, fa any am-parany any dia hisy andro mahory » (2 Tim 3:1). Efa nampiomanina amin’izany isika, efa nihatra tamin’ny Tompontsika ihany koa izany saingy tsy ny fahoriana izay mandalo ihany akory no tompon’ny teny farany fa miara-miasa hahasoa ireny, ary miseho ho voninahitr’Andriamanitra. Matoky Azy hatrany isika.

    2. Na eo aza ny ady izay tsy maintsy atrehina

    Na dia mbola tsy manomboka aza ny ady, ny Tompo dia efa manome toky antsika sahady, hoy Izy hoe : « Matokia ». « Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena (2 Tim. 1:7). Ny ady mafy indrindra no efa resin’ny Tompotsika, handresy isika miaraka Aminy. Mijoroa ary mandrosoa hatrany.

    Fanontaniana :
    Inona avy ireo mampiavaka ny kristiana sy ny jentilisa eo ampiatrehana ny fahoriana sy ny ady sarotra?